airtel

Actualités

11-avril-2023

Actualités

Ady amin’ny fampijaliana ny voafonja Handefa delegasionina eto ny Firenena Mikambana

Sample post image

Hisy delegasionina avy amin’ny rantsan’ny kaomisionina misahana ny fisorohana ny fampijalina na SPT (Nations unies pour la prévention de la torture) eo anivon’ny

11-avril-2023

Firenena mikambana (ONU) ho avy eto Madagasikara ny 16 aprily hatramin’ny 27 aprily 2023 ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana. Mifandraika amin’ny andininy faha-11 sy faha-12 amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny fampijaliana mahazo ny olona tazonina am-ponja no anton-dian’izy ireo eto Madagasikara. Ny taona 2017 moa isika no nanasonia an’izany. Hisy ny fihaonana ara-teknika sy ara-politika hiaharahan’ireo iraka amin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy ara-pitsarana, ary ny fitsidihana ireo fonja sy toerana hitazonana olona hanaovana fanadihadiana araka ny lalàna, eny anivon’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena. Hisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo solonntenan’ny governemanta ahafahana mametraka lamina hanetsehana ny paikady nasionaly hisorohana ny fampijaliana sy ny herisetra izay takiana any amin’ireo firenena rehetra nanasonia ilay fifanarahana iraisam-pirenena tamin’ny taona 2017. Tsara ny manamarika, fa manodidina ny 30 000 ankehitriny ny isan'ny voafonja manerana ny Nosy raha toa ka 11 000 no tokony ho zakan’ireo fonja misy eto. Raha ny fanadihadiana efa nataon’ny Humanité & inclusion, dia ny 64% amin’ny olona tazonina am-ponja nohadihadiany no namoaka fa tena faran’izay ratsy ny fepetra iainana amin’ny fitazonana am-ponja eto amintsika.

Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap