airtel

Actualités

08-juin-2023

Actualités

Ady amin’ny fanararaotana mamoafady

Sample post image

Ankizy 5000 no efa voaentan’ny ECPAT FRANCE

08-juin-2023

10 taona niadiana tamin’ny fanararaotana mamoafady hatao amin’ny ankizy eto amin’ny Nosy ny ECPAT France. Hatreto dia ankizy miisa 5.000 no efa voaentana teny anivon’ny Fokontany teto an-drenivohitra. Toraka izany koa ny tanora samy tanora. Ny vondron-dehilahy izay nahatratra an-jatony ary lasa mpisehatra eny anivon’ny fiaraha-monina ihany koa amin’ny fiarovana ny ankizy. Ho an’ireo efa lasibatry ny fanararaotana dia miisa 570 ireo ankizy efa noraisin’ny fikambanana an-tanana ka ny 400 isa amin’ireo no efa tafarina. Antony mahavitsy ireto farany ny fahafantarana fa mitaky fotoana maharitra ny fanarenana olona iray lasibatry ny herisetra noho ireo horohoron-tsaina nihatra taminy. Nankalaza ny fahafolo taona niasany teto amintsika ny ECPAT France omaly. Haharitra 12 volana ny fankalazana raha araka ny fanazavan-dRtoa Annick Andriamaro, talen’ny ECPAT izany hoe : tsy hifarana raha tsy amin’ny volana may taona 2024. Ho an’ity volana Jona entina hanamarihana ny iray volan’ny ankizy ity dia fantatra fa marobe ny asa hotanterahin’izy ireo. Anisan’ireny ny fanamafisana ny fanentanana amin’ny ady hatao amin’ny fanararaotana mamoafady hatao amin’ny ankizy. Eo ihany koa ny fandraisana an-tanana ireny ankizy ireny izay hiarahan’ny ECPAT amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Tsangambato hapetraky ny ECPAT amin’izao faha-10 taonany izao moa ny tantsoroka natao tamin’ny Ministeran mponina amin’ny fandokoana ny centre SEBA ao Isotry. Misy koa ny asa fametrahana ny toerana natokana ho an’ny tanora ao amin’ny Lisea Jean Joseph Rabearivelo Analakely, toerana hahafahan’ny ankizy mifanentana sy mifanakalo hevitra. Tsiahivina moa fa manampy tantsoroka ara-pitsarana ireo ankizy tratry ny fanararaorana mamoafady koa ny ECPAT France. Marefo mantsy ireny karazan’olona ireny manoloana ireo olona miady aminy ka manome mpisolovava maimaim-poana izy ireo.
Pati
Legende : Mandray an-tanana ireo ankizy lasibatry ny fanararaotana mamoafady tahaka izao ny ECPAT France
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap