sasany amin’ny resaka fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary eto amintsika na ireo azo havaozina na tsy azo havaozina. Miha mitombo izany, ka anisany ny tsindry mahazo ireo mpampaneno lakolosy eny ifotony, izay lasa sakana amin’ny dingana famotsirana ny marina sy ny fitorohana. Noho ny fahatsapana ny maha zava-doza ny zava-misy vokatry ny tsindry sy fanaovana ampihimamba ny harena voajanahary, niroso tamin’ny fifanaovan-tsonia hanamafisana ny ady eo anatrehan’izany ny Firaisamonim-pirenena AVG (Alliance Voahary Gasy) sy ny Biraom-pirenena misahana ny ady amin’ny kolikoly omaly 17 oktobra 2024. Soniam-pifanarahana mandritra ny 4 taona, ka tanjona ao anatin’io ny hamongotra ny kolikoly sy ny tsindry amin’ny resaka famotehana ny harena voajanahary ho an’ny tombotsoan’olom-bitsy. Mamaritra ihany koa ny anjara asa goavan’ny firaisamonim-pirenena amin’ny fanabeazana sy fanentanana ny olom-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery. Voafaritra ny fandrindran’asa sy rafitra iadiana amin’ny kolikoly sy ny fanamafisana tambajotra afaka hifanehitra amin’ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary, ny fitsirihana lalina eo anatrehan’ny trangana kolikoly nampahafantarin’ny avy amin’ny firaisamonim-pirenena,… Andrasana indray izany ny vokatra satria tsy vao sambany ny toy izao e !
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny