airtel

Actualités

06-juin-2023

Actualités

Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna Manamafy ny fanohanany ny Amerikanina

Sample post image

Tanterahina eto Antananarivo mandritra telo andron’ny 5-7 jona 2023 ny fivoriambe iraisam-paritra tarihan’ny Blue Ventures entina hamolavolana paikady iombonana hiatrehana ny jono tsy ara-dalàna,

06-juin-2023

tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna. Miara-miombon’antoka amin’izany ny Amerikanina, ka nanamafy i Etazonia, fa miara-miasa amin’ireo firenena eto amin’ny faritra andrefan'ny Ranomasimbe Indianina amin’ny ady atao amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna. Notsipihina fa loharanon-tsakafo ho an'olona an-tapitrisany maneran-tany ny harena an-dranomasina ary manan-danja manokana amin'ireo nosy toa an'i Madagasikara, Kaomoro, Maorisy ary Seychelles. Araka ny nambaran’ny Firenena Mikambana, olona maherin'ny 600 tapitrisa no mivelona amin'ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Na dia eo aza ny fepetra noraisina eo amin’ny sehatra nasionaly sy rezionaly mba hanakanana sy hanafoanana ary hiadiana amin'ity jono tsy ara-dalàna ity, dia mbola loza mitatao ho an'ny rohivoahary an-dranomasina, ny fivelomana ary ny fanjarian-tsakafo ho an'ny mponina amoron-tsiraka izany ary manimba ny toekarena manga maharitra sy ara-drariny eo anivon’ny faritra, ary mbola olana maneran-tany, hoy ny fanamarihana. Mba hamaliana ireo fanontaniana manan-danja ireo, nanamafy ny Masoivohon'i Etazonia eto Madagasikara sy Kaomoro fa miara-miasa amin’ny Blue Ventures Conservation Madagascar, ny Minisiteran'ny Jono sy ny Toekarena Manga, ary ny Institut Halieutique et des Sciences Marines (IHSM) amin’ny fanatanterahana ny fivoriamben’ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny jono, solontenam-panjakana, fikambanan’ny firaisamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina avy amin’ireo firenena Nosy ireo. Iray amin’ireo hetsika maro novatsian’ny Departemantam-panjakana amerikana vola mitentina 227 000 dolara ao anatin’ny tetikasa tantanin’ny Blue Ventures ity fivoriambe ity. “Ao anatin'ny fanatsarana ny fitantanana ny jono, dia nanolo-tena ny hiditra ao amin'ny FiTI na (Fisheries Transparency Initiative) izahay ka ankehitriny dia anisan’ireo firenena kandidà amin’izany. Tsy ho ela dia hanana ny paikadim-pirenena hiadiana amin'ny jono tsy ara-dalàna… ”, hoy ny Minisitry ny jono sy ny toekarena manga Atoa Mahatante Paubert.


Ho an’i Madagasikara, afaka mampiditra 7 miliara dolara isan-taona ny harena an-dranomasintsika, raha ny fanehoan-kevitra efa nentin’ny mpahay toekarena Serge Imbeh Jovial.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap