airtel

Actualités

14-janv-2026

Ady amin’ny

mpiasam-panjakana matoatoa

Sample post image

Hanenjana sy hanao fanisana ara-batana ny Fanjakana

14-janv-2026

Nilatsaka ny fanambarana ofisialin’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampiasana ary ny Asam-panjakana manambara fa ilaina ny fanisana ara-batana ny mpiasam-panjakana rehetra mba hahazoana antoka ny fahamarinan’ny angon-drakitra sy ny fitantanana mazava ny mpiasa na ny RH (Ressources Humaines). Hatao tsirairay ao amin’ny biraon’ny mpiasa ny fanisana ary ny tsy fahatongavana dia tsy maintsy hamarinina amin’ny antontan-taratasy manan-kery. Ny ekipan’ny « Direction Générale de la Fonction Publique » no hanatanteraka izany miaraka amin’ny sampan-draharaha misahana ny mpiasa na n, ary any amin’ny faritra kosa dia ny Directions Régionales du Travail, de l’Emploi et de la Fonction Publique no hiandraikitra. Tsy tafiditra amin’ity fanisana ity kosa ny mpiasan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka satria efa voasoratra tamin’ny fisoratana anarana biometrika vao haingana. Efa nisy dingana informatika natao teo aloha, indrindra ny fampiasana ny rindram-baiko AUGURE (Application Unique pour la Gestion Uniforme des Ressources humaines de l’État), izay novolavolaina sy nampiharina teo anivon’ny ministera sy ny sampandraharaha rehetra. Asa nanao ahoana ny vokatra ? Nambara mantsy tamin’ny fitondrana teo aloha fa ity rindram-baiko ity dia natao hanamora ny fitantanana ny antontan-taratasy sy ny solon-karama, ary efa nampiasaina tamin’ny fanavaozana ny angon-drakitra sy ny fanaraha-maso ny fidiram-bola sy ny fivoahan’ny mpiasa. Ny fanisana ara-batana ankehitriny dia heverina ho fanampiny sy fanamafisana ny rafitra AUGURE satria na dia efa misy aza ny angon-drakitra informatika dia ilaina hatrany ny fanamarinana mivantana amin’ny toerana iasan’ny mpiasa. Midika izany fa ny fanjakana dia manamafy ny ezaka amin’ny fitondrana mangarahara sy ny fanatsarana ny fitantanana ny loharanon’olombelona, izay manampy amin’ny fanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka sy ny fahombiazan’ny rafitra ara-panjakana. Raha ny tombatombana moa, dia manodidina ny 200 000 ka hatramin’ny 210 000 amin’izao fotoana izao, isa izay manamarika ny lanjan’ity fanisana ara-batana ity amin’ny fanamafisana ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ny rafitra satria tena vola be no
Toky R

 

 

 


Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola

Marefo na marary ny toekarena, tombanana 3,5% monja ny tahan’ny harin-karena. Ny fambolane sy fiompiana, 1,3% ny fiakarany, ny indostria niiba -0,7% ny indostria, ny fizahan-tany no nisy fiakarany 4,2% eo, raha ny nambaran’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Dr RAMIARISON Herinjatovo omaly takariva tao amin’ny TVM. Tamin’ny ankampobeny, 2,9% isan-taona ny fiakarana nanomboka ny 2009, izay tena kely dia kely izany ho an’ny fampandrosoana. Kely ny famokarana,ka raha ampitahaina amin’ny Afrika atsimon’i Sahara, dia ampahadimin’ny salan’isa aty Afrika ny antsika. Mila manao ezaka lehibe amin’ny fanentanana ny famokarana, mila asondrotra ny vitri-pamokarana, entanina ny sehatra tsy miankina. Isan’ny ezaka lehibe ho an’ny Fitondrana ankehitriny vao tonga teo ny fametrahana fifampatokisana eo amin’ny tsy miankina sy ny Fanjakana, ny avy any ivelany sy ny Fanjakana. Manao ny fanatsarana ny « climat des affaires » hanatsarana ny famokarana, ary mahavelom-bolo ny fifampatokisana na amin’ny tsy miankina na amin’ny mpamatsy vola, hoy ity Minisitra ity. Nomarihiny ny fisiana teritery, « redressement fiscal »,… teo aloha ka tsy afaka namokatra. Ankehitriny kosa, miverina soa aman-tsara ny fifampatokisana. Anisan’ny lesoka teo aloha ny hoe : kely dia kely ny tahan’ny famoaham-bola satria tsy nanana politika mazava nitondrana ny fandaniam-bola, nihazohazo ny mpamatsy vola,… Ankehitriny, vonona ry zareo ny hanampy amin’ny fampandrosoana ny toekarena, hampiroborobo ny famokarana indrindra fa ny orinasa madinika. Niteny mazava ireo fa harindra amin’ny politikan’i Madagasikara ny fanampiana, ary azo ovaina amin’ny zavatra hafa raha misy tsy dia mifanaraka. Banky Iraisam-pirenena, FMI, BAD,… eny fa hatramin’ireo fiaraha-miasan’ny samy Firenena, raha ny filazan’io Minisitra io. Andaniny, manamafy ny tan-dalàna ny Fanjakana, tsy handefitra na « tolérance zero » amin’ny kolikoly, fandaniam-bolam-panjakana, ka isan’ny nametrahana « task force » ny Sampan-draharahan’ny ladoany sy ny hetra. Hafantoka amin’ny sehatra tsy miankina, izay tena homena vahana satria ireo no tena ain’ny toekarena. Nisy ny vokatra azo noho ny toromariky ny Filoham-panjakana sy ny Praiminisitra. 3793 miliara Ar ny haban-tseranana ka lasa 3966, nisy 195 miliara Ar teo izay 5%. Niakatra 15% kosa io raha ampitahaina ny roa volana farany ho an’ny 2024, nahazoana 103 miliara Ar eo satria tena mafy ny ady tamin’ny hosoka amin’ny fadin-tseranana, kolikoly, izay nampiasana ny « Intelligence artificielle» hiaka farany. Niakatra 5,84% ihany koa ny hetra, ka nanomboka 28 oktobra 2025 hatramin’ny 31 oktobra 2025, dia 1147,8 miliara Ar ny fampidiran-ketra, ny 22,4% tamin’ny hetra niditra ho an’ny taona 2025 dia tao anatin’ny roa volana no nanaovana izany, nahafahana nanome tambiny manokana ho an’ny mpiasam-panjakana. Azo lazaina ho voafehy ihany ny vidim-pianinana satria 9,1% ny fiakarany ny janoary 2025, ary 7,2% ny desambra 2025. Eo amin’ny 8% ho an’ny 2026,... Naneho ny Minisitra ny toekarena fa azo lazaina ho salama ny kitapombolam-panjakana amin’izao, ary tsy mandany vola fahatany ny Fanjakana amin’izao fa tena malina, ka ny elanelan’ny fandaniana izay ambony sy ny fampidirina na ny deficit budgetaire dia 3% eo, izay misy fenitra. Raha latsaky ny 3,5% eo mitaha amin’ny harin-karena faobe ny fandaniana dia azo lazaina ho malina, fa raha mihoatra izay dia eo ilay sokajian’ny mpiara-miombon’antoka ho manao fandaniana be.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Iaraha-mahita amin’izao fotoana izao

Card image cap
05-mars-2026

Nanao ranty fampahafantarana

Card image cap
05-mars-2026

mbola afaka mianatra

Card image cap
05-mars-2026

Nanolotra 68 miliara Ar ho an’i Toamasina ny Fanjakana Japoney

Card image cap