airtel

Actualités

21-déc-2022

Actualités

Ady amin’ny paraky sy ny sigara Efa firenena maodely aty Afrika i Madagasikara

Sample post image

Efa firenena maodely aty Afrika i Madagasikara manoloana ny ady hatao amin’ny sigara sy ny paraky. Raha araka ny fanazavan-dRamamonjisoa Haja,

21-déc-2022

avy ao amin’Ny Sahy niresaka tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia hotokanana tsy ho ela eto amintsika ny ivon-toerana natao handraisana an-tanana ireo olona voafatotry ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky. Nihena 10% ihany koa hoy izy ireo tanora mifoka sigara eto amintsika. Raha nahatratra 18% mantsy izany tamin’ny taona 2008 dia nihena ho 8% tamin’ny taona 2018 farany teo, salan’isa izay nambarany fa azo lazaina ho efa mihatsara. Efa in-telo nahazo mari-pankasitrahana tamin’ny ady natao tamin’ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky ihany koa i Madagasikara hoy izy. Na izany aza anefa dia nomarihiny manokana fa mbola tena olana ny fampiharana ny lalana mifehy ny fiparitahan’ny sigara sy ny paraky eto amintsika. Efa 18 volana mantsy izay raha araka ny fanazavany no nahatongavan’io lalana io teny anivon’ireo mpanao lalana saingy mbola tsy misy manetsika sy mandany hatreto. Vokatr’izay hoy izy dia toeram-pivarotan-tsigara miisa 15 no hita amina toerana 100 metatra miala ny sekoly iray izay tokony ho faizina mihitsy. Mbola afaka miliba ihany koa hoy izy ireo mpivarotra manao dokam-barotra momba ny sigara sy ny paraky izay marihina fa mahavoa ny 2/3-n’ireo olona tratry ny aretina homamiadana eto amintsika….Tsara moa ny manamarika fa manana karazan-dalana maro hahafahana mifehy ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky isika eto Madagasikara ka anisan’ireny ny tsy fahafahana mifoka any anaty fiara fitateram-bahoaka na any anaty birao raha toraka izay ihany koa ny tsy fahafahana maniraka ankizy hividy sigara izay mbola mijanona ho resabe fotsiny ihany aloha satria mbola tsy nolaniana tanteraka ny fampiharana azy.

Pati

Legende : Haja Ramamonjisoa, tompon’andraikitry Ny Sahy nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly

 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Namoaka tatitra momba ny ady amin’ny kolikoly mandritra ny taona 2023 ny tendrom-pitsarana manokana

Card image cap
02-mai-2024

Nitory ny Mpikamban’ny HCC na ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana eny amin’ny Fitsarana ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice)

Card image cap
02-mai-2024

Voatery teny an-dalambe no navoaka ny mofomamy nanamarihan’ny Randrana sendikaly ny fetin’ny asa omaly

Card image cap
02-mai-2024

hitodika amin’ny fanatsarana ny famatsiana ny rano fisotro madio eto amin’ny faritra Analamanga ny fitondrana.

Card image cap
02-mai-2024

Mahatratra 6 tapitrisa ireo olona mipetraka eto amin’ny lemak’Antananarivo amin’izao.

Card image cap
02-mai-2024

Nitombo hery ka nivadika ho andro ratsy na depression tropicale ilay tangoron-drahona ao Avaratry

Card image cap