airtel

Actualités

02-mai-2024

TOETRY NY ANDRO

Ahiana ho lasa rivo-doza ilay andro ratsy

Sample post image

Nitombo hery ka nivadika ho andro ratsy na depression tropicale ilay tangoron-drahona ao Avaratry

02-mai-2024

ny lakan-dranon’i Mozambika raha ny vaovao azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro omaly Alarobia 01 May hariva. Tany amin’ny 585 km Avaratra Andrefan’Antsiranana no nisy ny foibeny ohatra tokony ho tamin’ny 04 ora folakandro tany ho any ka 55 km isan’ora ny rivotra entiny arahina tafiotra 75 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Ahiana hitombo hery ary hivadika ho rivo-doza moa ity andro ratsy ity ato anatin’ny ora maromaro izay efa nahazo anarana Hidaya. Na izany aza anefa dia tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ny fisiany. Antony mahatonga ilay ranon’orana mitsitaitaika teto an-drenivohitra omaly kosa ny tosiky ny tsiokan’ny Varatraza izay mitoetra, tranga iainan’ny mponina hatrany amin’ny Faritra Atsinanan’ny Nosy. I Hidaya noho izany no mety ho rivo-doza fahafolo handalo ny fari-dranomasin’i Madagasikara raha toa ka mivadika ihany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy hisy fiantraikany eto Madagasikara ity andro ratsy ity amin’ny ankapobeny !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap