na ny "Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites" Atoa Rasoloharimanana Aimé. Aretim-po no voalaza fa nahazo azy. Roa herinandro lasa no niatrika fandidiana voalohany izy ary afaka nody. Niatrika fandidiana fanindroany izy androany ary izao nodimandry izao. Raha tsiahivina dia ny 11 mey 2022 izy no voatendry ho Tale Jeneralin’io Sampan-draharaha mpanao fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-drariny io, taorian’ny fandalovana sivana ka izy no voatazona farany. Ny 3 jona 2022 no nanao ny fianianana ofisialy teo anivon’ny Fitsarana Tampony. Marihina fa iray amin’ireo sampan-draharaha amin’ireo 5 mandrafitra ny rafitra momba ny ady amin’ny kolikoly ny ARAI ary izy no taty aoriana vao tafatsangana, raha efa hatrany amin’ny 2004 ohatra ny Bianco, ka ity Tale Jeneraly nodimandry ity izany no anisan’ny nisantatra ny fitantanana azy. Mankahery sy mirary fiononana ho an’ny fianankaviany manontolo.
Toky R
Ny nosy Maorisy dia nitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny nosy Chagos
Tafintohina amin’ny fanambarana nataon’ny Governemanta frantsay, tamin’ny alalan’ny Minisitra lefitra
Ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo
Anisan’ny fitaovana tena ilaina amin’ny resaka famonjena voina ny « drone ».
Nisy ny sabotsy teo, tetsy Ankorondrano, ny fanolorana fitaovam-piasàna ho an’ireo
Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny