Saika miaina tondra-drano avokoa ny ankamaroan’izy ireo rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra indrindra fa ny eto Antananarivo renivohitra. Mba hahafahana miaro azy ireo amin’ny tondra-drano ary dia nahazo fitaovana raitra avy amin’ny tetikasa PRODUIR ny APIPA. Vondrona mpihary herinaratra manana tanjaka 1 010 kVA mba hahafahan’ny paompy mandeha na dia tapaka ary ny herinaratra no natolotra tamin’izany. Napetraka ao amin’ny "station de pompage" eny Ambodimita izy io foto-drafitrasa misintona ny rano amin’ny lemak’Antananarivo indrindra rehefa avy ny orana, ka mponina miisa 30 000 ka hatramin’ny 90 000 any ho any no voaaro amin’ny tondran-drano amin’ny alalan’ny fihodinan’ireo pompes ireo. Niampy kamiao lehibe miisa telo hitateraka ireo fako sy tsikafona manentsika ireo tata-drano eto an-drenivohitra izany ka anisan’ny hampiasana azy ohatra ny etsy amin’ny Canal C 3 izay fantatra fa efa ny 15%-n’ny asa fanadiovana sy fikarakarana hatreto no vita , asa henjehina mandrapahatongan’ny faran’ny taona. Tsiahivina moa fa nahazo tale jeneraly vaovao ihany koa ny APIPA. Tontosa afak’omaly Talata faran’ny volana Aprily ny famindram-pahefana teo amin’ny roa tonta. Fanambin’ny tale jeneraly vaovao ny hanohy ny asa tsara vitan’ny teo aloha sy hikaroka hevitra vaovao hiarovana ny lemak’Antananarivo amin’ny resaka tondra-drano.
Pati
Legende : Ireo fitaovana natolotra !
Samy velom-panontaniana ny mpanara-baovao tato anatin’ny herinandro izay manoloana ireo
Niparitaka nanomboka omaly ny didy fampikarohana an’i Bekasy Johnfrince. Karohin'ny polisin'ny
Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Hery na Iaban’i Sarah no namoy ny ainy tao amin'ny Kaominina Ranotsara
Miha tery hatrany ny fahafaha-mivelona na fivelomana eto Madagasikara, indrindra, taorian’ny fidiran’ny
Ny lafiny famoronana sy fanatontosana, ireo sisa tena olana amin’ny sarimihetsika malagasy,
Efa kely sisa dia maherin’ny herintaona no nisian’ny ranobe tsy mety ritra etsy Andravoahangy ambany.