airtel

Actualités

02-mai-2024

NOFY RIRININA...

Ho ajanona hono ny fantanterahana ny “teleferika” fa

Sample post image

hitodika amin’ny fanatsarana ny famatsiana ny rano fisotro madio eto amin’ny faritra Analamanga ny fitondrana.

02-mai-2024

 Satria dia azo lazaina fa mifanakaiky tanteraka ny sandan’izany vina roa izany fa ilay iray rendrarendra tanteraka fa ilay rano fisotro madio kosa dia mamelona aina hatramin’ny zaza mena vava ka hatramin’ireo ray aman-dreny. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia trosa mitentina 180 tapitrisa dolara eo no ho laniana amin’ilay teleferika nefa dia tsy hitondra afa tsy bika ho an’ny firenena izay efa tsy mitsahatra mihemotra amin’ny lafiny maha olombelona. Dia gaga isika hoe vaovao tena marim-pototra ve izany? Tsia. Ny alina efa manomboka mangatsiaka ka Tonga ny nofy ririnina e. Taitra tampoka aho tamin’ny 4 maraina iny, nojerena ny rano toa tapaka efa hatramin’ny omaly ka indro ireo mpiara monina maro be efa mandahatra ireo “bidon jaune” ery amin’ny paompy. Indrisy mantsy ry fireneko, nofy ihany no hifaliako aminao satria ireo mpitondra antsika dia tsy mihevitra afa tsy ny voninahitra, tsy mijery izay tena olana fototra.
TIA TANINDRAZANA

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap