airtel

Actualités

02-févr-2024

Ady mivady namoa-doza

Zaza 2 volana navela irery tao an-trano, maty lanin’ny voalavo…

Sample post image

Zazakely iray vao roa volana monja no namoy ny ainy izay hita

02-févr-2024

lanin'ny voalavo tao an-tranony akaikin'ny Abattoir, sampanan'Andranovisy, Antsirabe, omaly vao mangiran-dratsy, raha ny vaovao avy any an-toerana izay niparitaka sy niteraka fanehoan-kevitra maro. « Ren'ny manodidina fa niady be ny Ray sy Reniny alina, lasa nivoaka izy ireo ary nohidiany irery tao an-trano ilay zaza», hoy ny fanamarihana. Tsy mbola fantatra kosa hatreto raha tena izay kaikitry ny voalavo izay no nahafaty ilay zaza na antony hafa mihitsy na koa efa maty vao nohanin’ny voalavo, fa ny tombatombana vonjimaika, dia noho io kaikitry ny voalavo io satria tena rapa tanteraka ilay zaza, indrindra ny faritry ny tarehiny. Raha ny fanamarihana dia somary manana fahasembanana ara-pihainoana ny renin’ity zaza ity. Efa samy nentin’ny mpitandro ny filaminana natao fanadihadiana izy ireo ny andron’ny omaly, raha ny vaovao avy any an-toerana. Vao herinandro teo izay no nisian’ilay tranga mampalahelo mitovitovy amin’ity teny Manarintsoa eto Antananarivo, nisiana zazavavikely 2 taona voalaza fa lasibatry ny daroky ny raikely, ka niafara tamin’ny famoizany ny ainy satria ny reniny tsy niraharaha azy sy voalaza fa mamolava. Io indray dia misy tranga hafa tany Antsirabe izay vokatry ny lonilonin’ny mpivady dia ny zaza tsy manan-tsiny no manefa hatramin’ny ainy. Tena zava-doza tsy roa aman-tany, ary anatra hatrany ho an’ny rehetra satria zavatra kely tsy voatandrina sy mety ho azo sorohana no mety hiteraka nenina sy fanenjehan’ny eritreritra mandra-maty.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap