airtel

Actualités

03-mai-2023

Actualités

Ady mivady nitarika famonoan-tena Nafatrany tamin’ny tambohon’olona ilay fiara nentiny

Sample post image

Raim-pianakaviana mpamily amina orinasa tsy miankina iray no fantatra fa nikasa hamono tena niaraka tamin'ilay

03-mai-2023

fiara nentiny ny alin'ny 01 mey lasa teo tokony ho tamin'ny 9 ora sasany teny Manakambahiny eo anelanelan'ny paompy sy ny toby mpanjinjara solika. Raha araka ny loharanom-baovao voaray dia avy nifamaly tamin'ny vadiny tao anaty fiara ity Raim-pianakaviana ity. Nasainy nivoaka ireo vady aman-janany taorian’izany raha nalefany mafy ilay fiaran’ny orinasa nentiny ary navantany tany amin'ny tambohon'olona iray eny amin’iny faritra iny. Naratra mafy vokatr’izany ilay mpamily raha tapaka ihany koa ny tanany ilany ankavia. Potika ihany koa ilay fiaran’olona raha nirodana ilay tambohon’olona nifatrarany. Tsiahivina moa fa ankoatra ny olana ara-pitiavana tahaka izao dia anisan’ny antony hamonoan’ny olona tena ihany koa ny hasarotan’ny fiainana ankehitriny indrindra fa ny tanora. Tsy misy ohatra ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra sy ny fiatrehana ny fiainana amim-pilaminana ihany noho izany no hahafahana miady amin’izany.
Nangonin’I Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap