airtel

Actualités

07-juin-2023

Actualités

Ady tany ao Nosy Be Namaly an’i Labita ireo milaza fa tena tompony

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo voalaza fa tompon’ny tany izay lasa ifanolanana ao Ambondrona Nosy Be, eo anatrehan’ny fahatsapahana fanalam-baraka sy fanetrena ny voninahitr’izy ireo.

07-juin-2023

Nisy mantsy ny lahatsoratra an-gazety nivoaka tao amin’ny Madagascar Matin ny herinandron’ny 27 may-03 juin, mitantara sy niresahan’ny Ramatoa iray antsoina hoe: Labita Jean Lidivine mikasika ady tany sy nilazany fa lasibatra izy ary miapanga ny voalaza fa tompon’ny tany ho mahitahita sy lava tànana tamin’ny fahazoana tanim-panjakana, raha aravona. Noresahana tao anatin’io ny tany “Mahamasina” TN°2677-BO sy ny manodidina izany ao anatin’ny Fokontany Ambondrona. Notsiahivin’izy ireo ilay fomba fiteny hoe: “masimandidy amin’ny taniny ny Malagasy”. Milaza ireo andaniny, fa raha tena mahalala tsara ny tompon’ny tany Rtoa Labita, izay nisafidy ny hividy ny tany tamin’olon-kafa antsoina hoe Tiandraza araka ny voalaza tao amin’ny famoaham-baovao nataony, dia tsy manana zo hivarotra fananan’olona io satria tsy tompon’ny tany sy tsy mitondra ny anaran’ny tany io olona nividianana io. Milaza izy ireo fa tsy “entité morale” ihany fa “pérsonnalité” tahaka ny olona rehetra ihany koa ny Fanjakana, ary afaka manana ny taniny tahaka ny antsointsika hoe: tanim-panjakana na “terrain domaniale”, ary mifandraika amin’ny andininy faha -38 amin’ny “décret domanial” izay milaza fa masi-mandidy amin’ny fananany sy ny fahafahany manome herijika amin’ny fanomezana ny taniny ho an’ny vahoaka. Tao anatin’ny lisitry ny mpangataka ny tany mantsy, dia tamin’ny taona 1995 no nanao fangatahana I Tiandraza, 2005 I Labita, ary nisy ireo olon-kafa efa nanao izany ny taona 1988 dia Velonkasy sy Mandafatra, raha ny fanazavana. Ny dingana amin’ny dosie ara-tany dia tsy vita mora, fa mandalo antanan-tohatra maro (administratif, topographique, physique), ka lojika ary ara-dalàna ny fandavana ny fangatahan’io Rtoa Labita io, hoy ny andaniny. Efa nivoaka ihany koa ny fanapahan-kevitra mitsipaka ny fahafahana mahazo ny tany ankoatra an’I Mandafatra sy Velonkasy, efa navoakan’ny firaketana ara-tany sy teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Nosy-Be, efa nivoaka ihany koa ny “certificat de non recours” tamin’ireo fanapahana rehetra efa nivoaka, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza hitondra ny raharaha eo anivon’ny Fitsarana eo anatrehan’ny famoahana zavatra tsy marina sy fampiasana hosoka hakana ny fananany ireo milaza ny tompon’ny tany mba hiarovana ny zony.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap