airtel

Actualités

16-avril-2024

ADY TANY ETSY AMPEFILOHA

Navoakan’ny vadintany ny entan’ireo fianakaviana 20 isa

Sample post image

Mafy ny manjo ireo fianakaviana manodidina ny 20 isa monina amina trano miisa 5 mipetraka

16-avril-2024

amin’ilay tany 2 ara etsy Ampefiloha ambadiky ny CNAPS. Tena tsy nisangy tokoa mantsy ilay vadintany nanome 48 ora azy ireo nanomboka ny Sabotsy teo fa namoaka ny entany rehetra teny ivelany omaly Alatsinainy 15 Aprily no sady namefy ny tananany ihany koa. Raha araka ny vaovao azon’izy ireo dia toa hoe : resy teny anivon’ny tribonaly izy ireo rehefa niady nanomboka tamin’ny taona 2003. Tanim-panjakana io tany 2 ara misy ny tranon’izy ireo io raha tsiahivina ary efa nangatahiny. 50 taona ny nanajariana izany toerana izany izy ireo. Nanomboka tamin’io taona 2003 io anefa dia nisy olona nilaza ho tena tompon’ny tany ary manana taratasy ara-dalana. Raha araka ny filazan’ny mponina dia olona eo akaikiny ihany io milaza ho tompon’ny tany ankehitriny io. Very fanahy mbola velona izy ireo vokatr’izany. Hatramin’io omaly Alatsinainy io mantsy dia voatery nitady izay toerana handrian’ny lohany aloha izy ireo mandrapisian’ny vahaolana maharitra. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky izao ady sarotra lalovany izao ireo mponina. Nilaza moa ireo farany fa niezaka ny nanohitra ihany saingy tsy afa-nanoatra noho ny fisian’ny gros bras na be sandry tonga teny an-toerana.
Pati Legende : Tahaka izao ilay tanana nofefena !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap