airtel

Actualités

15-sept-2025

ADY TENY AM-PANDEVENANA

Olona roa no namoy ny ainy

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin'ny distrikan'Ambilobe

15-sept-2025

ny Alatsinainy 08 Septambra lasa teo. Fandevenana olona maty iray no nivadika ho gidragidra nahatsiravina ka namoizana ain'olona miisa 2 raha iray naratra mafy.Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nisy nitsipaka ny fandevenana io razana io tao amin'ilay fasana. Vokatry ny lonilony noho ny ady tsy voavaha efa ho 20 taona no voalaza fa anton'izany ka tonga hatramin'ny fanilihana ny razana. Tsy nanaiky izany ny andaniny ka raikitra ny fifamaliana izay nihafara tamin'ny fifandonana. Tsy nalevina tao amin'ilay fasana moa ny maty nony farany fa tsy maintsy nalevina tany amin'ny fasana hafa. Maherin'ny 10 no voasambotra hatreto hoy ny vaovao ary mitohy ny fanadihadiana. Tena efa mivadika tanteraka ny fiainan'ny zanak'olombelona ankehitriny. Tafiditra ao anatin'izany isika Malagasy izay tsy manome lanja ny fihavanana intsony fa mahavita manilika sy manary ny havana na dia ao anaty fahoriana lalina aza. Nangonin'i Pati
Légende : Lasa miady amam-paty koa ny Malagasy ankehitriny !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap