Efa hiditra roa volana izao ny afera boeing 777 izay nahasaringotra an’i Madagasikara ho tafiditra ao anatin’ny heloka iraisam-pirenena noho ireo fiaramanidina 5 nomena laharana Malagasy kanefa lasa any Iran, izay firenena voasazy sy tratry ny ankivin’i Etazonia sy ny Tandrefaa, tsy afaka misitraka sy mividy ireo teknolojian’ny fiaramadina avy aminy. Nosokajiana ho firenena mety hitera-doza satria nambara fa mikotrika asa fampihorohoroana, baomba nokleary, tsy manaja y zon’olombelona. Nikorapaka ny mpitondra teto Madagasikara, niezaka nanadio tena, olon’ny governemanta maromaro no nanao fanambarana nahitana ny Minisitry ny fitaterana teo aloha, minisitra misahana ny filaminana miisa 2, tonia mpampanoa lalàna,… Nifanilika sy nifandetika ny Minisitry ny fitaterana tamin’izany sy ny Tale Jeneralin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar). Nezahina novoizina mafy fa tsy misy hidiran’ny Filoha sy ny Praiminisitra. Tsy maty ny afo, dia nesorina haingana indray ny Minisitry ny fitaterana Valery Ramonjavelo. Nahagaga fa ity farany izay nesorina indray no mbola nanamafy sy niaro mafy ireo olona teo amboniny fa tsy nisy hidiran’ireo ary tsy meloka. Tao anatin’izay, tsy nety voakitikitika ny Tale Jeneralin’ny ACM dia ny Kolonely Damasy Gérvais. Taty aoriana, ny 22 aogositra no nilatsaka ny didy taoriana fiakarana fampanoavana vao hoe : tafiditra anatin’ireo 22 nidoboka am-ponja io tompon’andraikitra ambony io.
OLONA ANY AM-PONJA TSY MBOLA NESORINA…
Ekena fa mbola tsy misy didim-pitsarana raikitra manameloka azy, mbola misitraka ny antsoina hoe : « présomption d’innocence » ny Tale Jeneralin’ny ACM, saingy mahagaga ny tsy fisiana didim-panjakana manala azy na « abrogation » raha ny hita tamin’ireo filankevitry ny minisitra taorian’ny 22 aogositra, kanefa olona any am-ponja. Izany ve no Fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna ? Olona any am-ponja tsy esorina amin’ny andraikitra ambony ? Iza no mitantana ny ACM ankehitriny sa miainga avy any am-ponja satria tsy mbola nisy Tale Jeneraly vonjimaika notendrena ? Ny tsy nikitihana azy vao vaky ny afera boeing 777, ny tsy mbola nanesorana azy na any am-ponja aza, ireo teny nataona olona ambony samihafa toa namatotra ny tsirairay na namatotra ny Fanjakana,… dia endrika maneho fa misy fifampiarovana henjana ao ka mety ho sinema ny fampidirana am-ponja vonjimaika, ary ireo madinika no mety hizaka ny ngidiny. Sinema sy politikana mafia ?
SAROTRA NY HANENJIKA NY MINISITRA ETO
Olona 33 no voalaza fa voarohirohy, saingy nilaza ny Tonia mpampanoa lalàna teo anivon’ny PAC (Pôle Anti-corruption) Rasoahanta Elysée fa tsy misy mpitondra ambony tafiditra, efa nisy niaiky heloka,… Na isan’ireo voasaringotra aza ny Minisitra teo aloha, tsy misy azo atao aminy satria ny Fitsarana Ambony na HCJ no afaka mitsara azy, mbola mila fankatoavan’ny depiote maro an’isa ny fanenjehana. Ny IRMAR no afaka manao izany, saingy mahakely finoana izany Fanjakana Rajoelina handetika ny tandapany izany na afera inona na afera inona. Ny Minisitra teo aloha Valery Ramonjavelo izay isan’ireo olona tandapa tena natokisana satria efa nitana ny toerana maha Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika. Ry Romy Adrianarisoa aza efa ny Fanjakana Britanika izao no nisambotra azy, niteraka fahafaham-baraka goavana ho an’ny Firenena sy Andry Rajoelina mivatana noho ity farany Tale Kabinetrany fa nodian’ny Fanjakana adala ny afera. Firifiry ireo olona ambony voarohirohy tamina afera maloto goavana, fa betsaka no nodiovina toa ireo nalefa ho depiote ao Tsimbazaza,… Ny mafia no tafiditra ao anaty Fanjakana sa ny Fanjakana mihitsy no efa mafia ? Ny sehatra iraisam-pirenena sisa mety hanejika !?
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»