ilay raharaha niteraka resabe goavana sy adihevitra noho ny horonan-tsary miresaka tsy fahitana bolongam-bolamena milanja 30 kilao tany Mananjary, indrindra any Kianjavato ny Minisiteran'ny harena an-kibon'ny omaly 9 jolay 2026. Mbola tsy nisy tranga fahitana volamena lehibe toy izany teto Madagasikara, hany ka maro ireo mpanaraka ny tambajotra sosialy no liana tamin'ilay raharaha. Tovolahy iray mpanao "orpaillage" no nahita ilay bolongam-bolamena tamin’ny volana aprily tao amin’ny toeram-pitrandrahana iray, raha ny vaovao niparitaka. Avy hatrany anefa dia nivadika ho fifampiampangana ilay resaka, izay nisiana manam-pahefana vitsivitsy voatonona ho anisan'ny ao ambadika... Nanao fanadihadiana ny Ministera nandritra izany fotoana izany ka nilaza fa: Tsy misy ny porofo mazava ofisialy na dia nisy aza ireo filazana ireo. Tsy nisy ihany koa ny antontan-taratasy manamarina ny fisian’ilay volamena milanja 30kg. Tsy nisy ihany koa avy amin’ny fokontany, kaominina, distrika, na ny manampahefana ifotony izay manamarina io vaovao io, hoy ny Minisitera. Nambara ihany koa fa tsy nisy fitarainana na fitoriana napetrak'ilay tovolahy nilaza ho voaroba hatramin'izao. Tsy misy fahazoan-dalana momba ny fitaterana sy fanondranana volamena izay navoakan'ny Ministera, hoy hatrany ny fanambarana. Noho izany, miantso ny rehetra tsy ho mora vorebirebin'ny vaovao tsy marim-pototra ka mety hanimba ny fahatokisana ny fitondrana sy hitondra sakana ho an'ny fampandrosoana ny faritra, hoy io Minisitera io. Mbola nampiany tamin'ny hoe miantso ny tsirairay hanamafy hatrany ny fanaraha-maso ireo tranga tsy ara-dalàna, indrindra ny resaka volamena, mba hiarovana ny harempirenena. Izay ny setriny ofisialy ka hijanona eo ve ity resaka ity? Tena tsy nisy tokoa ve ilay resaka volamena? Ny taona 2014 dia nisy vato lehibe "quartz fumé" milanja 6 taonina tany Tsiroanomandidy izay niala maina ny tompony, nentina teto Antananarivo, napetraka teny Ampandrianomby misy ny sampan-draharahan'ny harena an-kibon'ny tany, avy eo nanjavona tsy misy resaka. Sao sanatria ny sary toy izany no miverina ?
Toky R