Raha ny lalàna manan-kery eto Madagasikara dia tranga voasazin'ny lalàna ny fanondranana olona an-tsokosoko indrindra fa ny fanamarinan-jaza amin'ny alalan'ny fananganana zaza eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena tsy ara-dalàna. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa ny taona 2022 no nivezivezy in-droa teto Madagasikara io teratany vahiny io, in-droa niditra sisin-tany izy ary in-droa nivoaka ny sisintany. Fantatra ihany koa fa tsy nisy zaza malagasy niaraka taminy nandritra ny fivoahany indroa ny sisin-tany. Araka ny voalazan'ny fehezan-dalàna andininy faha 37 sy 38 ao amin'ny lalàna 2014/40 dia afaka manenjika sy mitsara ary manasazy ireo olona mandika lalàna eo amin'ny sehatry ny fanondranana olona an-tsokosoko eto an-toerana na any ivelan'i Madagasikara ny fitsarana malagasy, ary ny Polisim-pirenena ihany koa dia efa nahazo baiko avy amin’ny tonian'ny mpampanao lalàna ao amin'ny fitsarana Antananarivo ny hanokafana fanadihadiana momba izany. Hohamafisina ny fiarovana ny zaza Malagasy ary handray ny fepetra ny governemanta ny amin'ny tsy fahafahan'io tera-tany vahiny Dylan Thiry io hiditra eto Madagasikara intsony. Mbola mitohy ny fanadihadiana hahafahana misoroka izay mety ho trangan-javatra rehetra tahaka izao. Mifanome tanana nanao izao fanambarana izao moa ny Minisitry ny fitsarana, ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana , ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy. Tsiahivina moa fa anisan’ny tena nahalasa saina ny maro ny fisian’ireo karazana peta-drindrina isan’andro ireny mitaraina mikasika ireo zaza tsy hita na very. Tsy hanavahana sokajin-taona intsony izany ary saika voakasika avokoa na lahy na vavy. Ny tsy azo hiodivirana dia tsy olona iray no manao an’ io fa tsy maintsy tambazotra ary misy hatramin’ny manam-pahefana mpanao taratasy mihitsy mba hahafahan’ilay zaza miondrana miaraka amin’ilay mpaka azy. Tsara karohina fatratra ihany koa ireto farany noho izany fa tsy io tera-tany vahiny io irery.
Pati
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny