airtel

Actualités

04-août-2026

Afo nandrahoan-tsakafo

tsy voafehy

Sample post image

May ny tanàna sy biby fiompy tao Ranomafana-Est

04-août-2026

Nitrangana haintrano tao Ranomafana-Est Brickaville omaly Alatsinainy 3 Aogositra tokony ho amin'ny ny 1ora atoandro. Ankizy nahandro sakafo tamin'ny afo kitay tao amin'ny takantrano iray, tsy nisy olon-dehibe, no niandohan'ny afo ary niitatra vetivety kely ka indray natelin'ny lelafo avokoa ny trano maro. Trano folo tafo lahery no rava tanteraka levon'ny afo, ka namela fianakaviana maro tsy misy fialofana. Akoho amam-borona zato mahery sy Kisoa vitsivitsy ihany koa no kilan'ny afo. Na dia teo aza izany zava-doza izany, sy ny fatiantoka ara-pitaovana sy ara-pivelomana lehibe, dia tsy nisy ny famoizana aina. Miantso ny zanaka ampielezana sy ny malala-tanana ny mpiray tànana hifanampy amin'ireo niharam-boina amin'izao fotoana sarotra izao.
Jean D.
Zava-doza nateraky ny haintrano tao Ranomafana-Est Brickaville omaly
 

Dans la même rubrique

11-août-2026

Miha milentika i Marie Michelle, 5 hafa nidoboka

Card image cap
11-août-2026

Marc Dillard, diplaomaty efa za-draharaha

Card image cap
11-août-2026

maty nianjeran'ny tamboho

Card image cap
11-août-2026

mponina ireo mpivarotra manodidina

Card image cap
10-août-2026

Firenena handresena ny haizina

Card image cap