tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Actualités

Ahiahina fandrendrehana saim-bahoaka Mampametra-panontaniana ireo zava-mitranga

Efa hatramin’ny fotoanan’ny Apollo 21 na ny raharaha fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina,

16-nov-2022

Sample post image

tamin’ny taon-dasa no hita ho miha tsy matoky intsony ny tena fitombonan’ny zava-mitranga sasany eto amin’ny firenena ny ankamaroan’ireo olompirenena mpanara-baovao. Niha nalaza tamin’ireny moa ny voambolana hoe sinema sy fanodinana saim-bahoaka na “diversion”. Tsy nanalavitra izany koa ny fanehoan-kevitr’ireo mpisehatra politika maro sy mpanara-baovao rehefa nahita ilay tranga fifofoana ny ain’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, farany teo, izay hoe nitranga andro alahady tamina toerana mangingina moa raha ny fitantaran’ny ben’ny tanàna azy. Betsaka ny fanontaniana manitikitika ny saina toy ny hoe fa maninona no teo amin’ny fitaratra misy ny toeran’ny mpamily no nisy ireo diam-bala? Andro alahady izany, heverina fa fotoana maha voafehy indrindra ny fifamoivoizana ka nahoana no hoe olona miisa 2 nitondra moto kanefa dia tsy tratra teo noho eo? Iza no manana tombony amin’ny famonoana ny ben’ny tanana? Sao dia fanodinana saim-bahoaka hanakonana ireo veliranon’Iarivo tsy vita na fanasoketana ilay mpandraharaha izay miseho miharihary fa manana fifanolanana amin’ny ben’ny tanana? Mbola resaka fanodinana saim-bahoaka hatrany dia tsy nisy izay tsy taitra, ny sasany aza nivarahontsana mihitsy omaly raha nahita endrika fandrahonana mpitandro filaminana mivantana nataona kaonty Facebook iray mitonona ho jiolahy na “gangs” tamin’ireo polisy. Isan’ny fehezantenin’ity hoe “Gazza gang” ity moa ny hoe “Matinareo izy io dia mifalia ianareo fa ifamono isika. Hivoaka amin’izay ny “secret” an’io kaomisera Christian sy komanda Jules mpamatsy basy anay io. Izahay tsy mahafantatra an’io Dino io fa tapitra hatreo ny fiaraha-miasa izany. Hifamono isika izany. Polisy VS Gangs. Tsy mifidy izahay fa izay polisy hitanay eny an-dalana dia tifirinay. Maso solon’ny maso. Tsy miady amin’ny zandary sy miaramila izahay fa ny polisy tsy mena-mivadika…”. Aiza koa no hisy « gangs » hiseho masoandro na “se dévoiler” izany, hoy ny fanontaniana mipetraka? Io manao filazana na « publication » io ve dia tsy ho mora hita na “facilement localisable et identifiable”? Sao dia mba fampijabahana? Raha tena hoe niomana ny hamono tokoa, anana ny fitaovana rehetra mifandraika amin’izany miaraka amin’ny paika sy tetika dia ho tahaka ireny ve no fitrangany ? Dia ho olona ao anaty fiara “blindé” ve no ho tifirina? Amina fiarovana mbola azo atao hoe goragora be eto amintsika io ve raha toa ka hikononkonona famonoana politika na “assassinat politique” izany, tsy avy dia manakarama mpitifitra matihanina na “sniper” mahavita irony tifi-davitra any amina an-jatony metatra irony dia vita kabary? Tamin’ny 1975 aza ireny no nahazo an’Itompokolahy Ratsimandrava ka mainka fa amin’izao taona 2022 efa mandroso be izao ny fitsirihana sy ny teknolojia ary ny fitaovam-piadiana? Santionan’ireo fanontaniana manitikitika daholo izany rehetra izany, ary miteraka adihevitra be any anaty fiarahamonina. Mahaliana ny ho vokatry ny fanadihadiana nambara fa atao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Volamena 36kg very tao amin’ny minisitera Mpiasa 2 natao sorona, ny tambajotra tsy voakitika
02-juin-2023

Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy

Card image cap
Fanefana trosabe amin’ny Tozzi Green Hampindram-bola ny Jirama ny Fanjakana
01-juin-2023

Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA

Card image cap
Fanaovana taratasin-tany hosoka MD eny Antanimora i bebe sy ny ekipany
01-juin-2023

Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na

Card image cap
Sampana fanantenana Nampahafantatra ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara
01-juin-2023

Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.

Voir plus