airtel

Actualités

27-mars-2024

Ahiana hangotraka kokoa ny delestazin’Iarivo

Tsy afa-mamokatra afatsy 37MW amin’ny 114MW Andelekaleka

Sample post image

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

27-mars-2024

ao Andekaleka amin’izao fotoana izao noho ny andro ratsy tao anatin'ny andro maromaro izay, hoy ny seraseran’ny Jirama. Mihena 35 MW fotsiny no afaka vokarin'ity tobim-pamokarana ity raha toa ka tokony ho 114 MW nanomboka omaly ka ahiana mety hiteraka fahatapahan-jiro eto Antananarivo nanomboka omaly talata, araka ny vaovao niely hatry ny omaly. Io fahabangana io no nambara fa mety hampikorontana ny famatsiana herinaratra anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo na ny RIA. Nambara mantsy fa niteraka fivangongoan’ny fako, ka mahatonga fahatsentsenana any Andekaleka ny orana nisesy, antony mampihena ny famokarana. Nolazaina fa efa am-perin’asa manala izany ireo ekipa kanefa tena sarotra ny asa, ary mbola matevina ny orana any an-toerana. Mitohy hatrany izany ny olana samihafa momba ny herinaratra. Tao anatin’ny tapa-bolana izay no efa olana be ny tany Toamasina noho ny fahataran’ny solika, niampy ny voalaza fa olana teo amin’ny fifandraisan’ny tobin’ny ENELEC sy Toamasina II,… Efa tonga hatramin’ny fidinanana an-dalambe nataon’ny vahoaka. Ny tany Mahanjanga nialohan’izany, dia efa nidina an-dalambe nanao hetsika am-pilaminana ny mponina, ny mpandraharaha,… noho ny fatiantoka ara-pandraharahana sy ara-toekarena nateraky ny delestazy. Izao ihany koa dia io fa mihamafy ny eto Antananarivo izay efa tapatapaka lava hatrany. Mifangaro ao ny olana ara-pitsitsiana noho ny fampihenana ny solika ampiasaina vokatry ny fepetran’ny mpamatsy vola tsy ahafahan’ny Fanjakana manao “réquisition”, ny olana ara-teknika, ny olana ara-pitantanana,… dia ny vahoaka sy ny mpandraharaha no mifafa ny kihony lava eto. Aiza ilay hoe: hamokatra 400MW tao anatin’ny 5 taona, ho foana afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana ny delestazy,…

Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap