mpitantana ny Consortium NEHO (Nouvelle Energie Hydroélectriques de Onive) i Andry Rajoelina, hoy ny gazety vahiny Africa Intelligence. Ny NEHO no hanatanteraka ny fananganana ny toby mpihary herinaratra ao Sahofika amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana amin’ny tsy miankina na ny 3P. Handray anjara amin’io ihany koa ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Olivier Jean-Baptiste, hoy hatrany io fampahalalam-baovao io. Ireo olona telo ireo dia tsy maintsy hiady hevitra momba ny hoavin’ny tetikasa hoe : hofoanana ve ny fifanarahana amin’ny fiantsorohan’ny NEHO ny tetikasa sa hotohizana ao anatin’ny endri-pamatsiam-bola misandrahaka ? Tafiditra anatin’ny tsy azo hanoharana amin’ny fifanarahana amin’ny fifanarahana mampifamatotra ny NEHO sy ny Fanjakana ity fiverenana an-databatra boribory ity, raha ny ambangovangon’io vaovao io. Hatreto mantsy dia mbola voalaza fa tsy tena misy zavatra mandeha ny fananganana an’i Sahofika izay hamokatra 205MW. Mbola tsy nahita mpanolo ny Vondron’orinasa Frantsay Eiffage izay nisintaka tao anatin’ny tetikasa Sahofika ny fiandahonan’ny taona 2023 rahateo i Andry Rajoelina sy Gérard Perceau mpanolontsaina azy manokana, raha ny nambaran’ity vaovaon’ny Africa Intelligence ity hatrany. Ny orinasa fransatsay Eranove sy Themis Clean Energy no voalaza fa isan’ny niaraka tao. Ny fandehanan’ny Eiffage anefa dia narahina fepetra tamin’ny tsy maintsy hanoneran’ny Fanjakana ny sandan’ny fikarohana sy fandalinana ny fananganana ny tohodrano, izay voalaza fa nahatratra « centaines de milliers d’euros », izany hoe an-jatony tapitrisa euros. Herintaona aty aoriana anefa, mbola miandry hatrany io vondron’orinasa tantanin’i Benoit de Ruffray io, hoy io vaovao io. Io toe-javatra izay voalaza fa lasa sakana hatramin’izao amin’ny fanatanterahana ny tetikasa, izay any amin’ny an-jatony kilaometatra miala an’Antananarivo. Tsara ny mampahatsiahy fa isan’ny noresahana tao anatin’ny tetikasa momba ny angovo nambara fa handeha ny tetikasa Sahofika tao anatin’ny fanolorana ny fanolarana ny PGE. Tany amin’ny 2016 no efa voaresaka ny tetikasa Sahofika izay niteti-bidy 797 tapitrisa euros tamin’izany, saingy niitatra hatrany, ary hatramin’izao mbola tsy tena miainga. Tany amin’ny volana may 2019 nandritra ny fitsidihana nataon’i Andry Rajoelina tany Paris no efa nanaovana serasera mafy ny fanasoniavana ny fifanarahana tamin’ny Eiffage amin’ny tetikasa Sahofika. Mbola nitohy teny Iavoloha ny novambra 2021,… Mby aiza izao ?
Toky R
Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana
Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao
Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,
Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana
Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany
Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,