airtel

Actualités

31-août-2022

Actualités

Ahoana moa ny olona no hahatoky Lapan’ny fitsarana aza miloko volomboasary

Sample post image

Maro ny endrika fitsaram-bahoaka efa niseho teto amin’ny firenena. Nirongatra izany tato anatin’ity fitondrana ity ary heverina ho endriny mahery vaika indrindra ny nitranga tao Ikongo farany teo.

31-août-2022

Mifandimby lalandava mampahatsiahy ny anton’izany ny mpandinika sy mpampaneno lakolosy maro. Raha mba nadio mantsy io fitsaràna io, hoy ny mpampaneno lakolosy anaty tambazotran-tserasera, Sylvia Randriantsotsy na Foutsie Tsotsy, tsy nisy ny fitakiana fitsaram-bahoaka. Raha mba manao ny asany amin'ny marina mantsy ny mpitandro filaminana rehetra, mihena ny asan-jiolahy, hoy izy. Raha mba mitondra ara-drariny sy ara-pahamarinana mantsy ireo olom-boatendry sy olom-boafidy isan-tsokajiny, mipetraka hoazy ny fahatokisan'ny vahoaka azy ireo. Raha mba natao laharampahamehana mantsy ny fanamboaran-dalana isam-paritra fa tsy fatina “pavé", tsy nananosarotra ny fifandraisana sy famonjena rehefa misy loza. Raha nasiana lanjany ny fahasalamam-bahoaka, alefa mitsabo daholo ny dokotera rehetra fa tsy mitangorona manao mpiasan'ny minisitera, dia mody midina am-potony mandany volam-bahoaka amin'ny atrikasa sy iraka tsy misy fotony daholo, hoy hatrany izy. Ny Fitsarana dia rafitra iray natokana hanitsiana ny mizana tsindrian’ila, hanitsiana ny meloka, ary handravonana ny mikorontana kosa, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary. Ny fitsarana no tompon-teny farany, hoy izy. Ny raharaha rehetra manahirana dia eny amin'ny fitsarana no mandidy sy manapaka azy. Matoa ny vahoaka manao fitsaram-bahoaka dia tsy matoky ny fitsarana izy. Tsy azony ny tena fandehan’ny pitsopitson'ny raharaham-pitsarana ka manjary manana tahotra izy sao tsy ho tafavoaka eny intsony. Tsy azony ny didim-pitsarana satria olona hitany sy fantany fa meloka no indro miriaria eny amin'ny fiarahamonina. Lavitra be aminy ny toerana misy ny fitsarana ary tena mandany vola sy fotoana be ny mitondra raharaha eny anivon'ny fitsarana. Vahaolana no tadiavina eny amin'ny Fitsarana kanefa tena zary fahasahiranana ny miaka-midina eny. Lava be ny fandehan’ny raharaham-pitsarana ka manana eritreritra izy fa tsy ho vita mihitsy ny raharaha entina eny. Matoa ny vahoaka manao fitsaram-bahoaka dia tsy matoky ny rafi-panjakana izy satria ny rafi-panjakana tsy mitondra vahaolana eo amin'ny fiainany an-davan’andro na làlana, hopitaly, sekoly, zezika, masimboly, tohadrano sy ny maro satria rafi-panjakana tsy mahatapa-kevitra sy tsy mahatapak’ahitra no misy eo an-tanana. Sefo fokontany, ben’ny tanana, solombavambahoaka, prefe, governora sy ny maro. Tsapany sy hitany lavitra azy ny rafi-panjakana ary manao taingimbozona azy fotsiny. Rehefa mankany amin'ny biraom-panjakana dia filafila sy kitakita no azony. Satria tsy nahita fivoarana eo amin'ny tanana nisy azy izy nandritra ny taona maro fa zary tany lavitra andriana ny tananany. Mila averina ny fifampitokisan’ny vahoaka sy ny Fanjakana. Tsy misy Raiamandreny malagasy misakafo alohan’ny zanany ary mahavita mijery ny zanany ao anaty fahantrana sy fahoriana lalina. Ary tsy misy Raiamandreny manary ny zanaka. Ny zanaka no harena ary ny malagasy no harena voalohany ho an'i Madagasikara, hoy hatrany ny tenany. Raha fehezina ny voalaza dia tsy mahagaga ny fitsaram-bahoaka mirongatra eto amin’ny firenena satria hatramin’ny lapan’ny fitsarana koa aza dia miloko volomboasary, lokon’ny antokon’ny fitondrana ankehitriny, raha ny hita atsy amin’ny Nosy Boraha na Sainte Marie fotsiny no alaina ohatra.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap