airtel

Actualités

25-avril-2024

TOETR’ANDRO

Ahiana hisy rivo-doza hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato

Sample post image

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

25-avril-2024

Hanomboka amin’ny Alatsinainy 29 Aprily ho avy izao no mety hisian’izany ka hatramin’ny 05 May ho avy izao. Raha ny vinavina dia ho voakasik’izany manokana ny distrikan’Antsiranana, Ambilobe, Nosy Be, Ambanja, Vohemar, Sambava, Antalaha ary Andapa. Toraka izany koa ny distrikan’i Maroantsetra, Mananara Avaratra, Sainte Marie, Soanierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina, Toamasina, Analalava, Bealanana, Antsohihy, Befandriana avaratra ary Mandritsara saingy somary ho maivamaivana kokoa. Manentana ny mponina amin'ireo distrika ireo sahady mba hanaraka akaiky ireo antontam-baovao momba ny toetry ny andro araka izany ny tompon’andraikitra, manomboka ny faran’ny herinandro izao. Tsiahivina moa fa orana manasa-taona no efa handrasan’ny mponina ankehitriny saingy mbola ahiana ihany araka izany ny hisian’ny rivo-doza.
Pati
Legende : Ahiana mbola hisy rivo-doza handalo eto Madagasikara ! 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap