mpitsidika maro tao anatin'iny vanim-potoana fanamarihana ny datin'ny 26 jona iny ny valan-javaboaharin'i Mandraka, amin'iny Lalam-pirenena faha 2 na RN2 ao amin'ny distrikan'i Manjakandriana iny. Raha miala eto Antananarivo moa izany dia mandalo amin'iny Mahazo iny. Mihazo an'Ambohimangakely, Ambohimalaza, Carion, Sambaina, izay mbola azo lazaina ho maro vohitra maitso mavan'ny tandavan'ala samihafa hatreto. Afaka an'ireo dia io ny valan-javaboaharin'i Mandraka. Feno karazan-java-maniry mitsabo ao. Karazam-borona tsy fahita toy itony Fandika lalana itony. Eo koa ny loharano sy farihy fa ny isan'izay voalaza ho tena mahasarika indrindra ireo mpandalo dia ny hijery ireo karazan-gidro. Misy ireo karazan-gidro na "Lémuriens", izay tsy hita afa-tsy andro alina, dia ny Fotsy fe, Antsidy, Matavy Rambo. Ny Kotraiky sy ny Varika ihany kosa no hita amin'ny andro mazava amin'ireo karazan-gidro miisa 5 hita ao an-toerana. Ny Varika no tena hita ho mahaliana ireo mpitsidika ary ireo rahateo no sahy manatona olona, hoy ny mpiseradia ao an-toerana, Stewoird Randriarimanga. Ny Kotraiky tsy sahy manatona satria vonoin'ireo Varika, hoy izy. Any amin'ny 50 na an-jatony mahery mihitsy raha ny karazan-gidro Varika mbola miriaria amin'iny avaratra andrefan'ny lalam-pirenena faharoa iny, hoy ny fanazavana, fa manodidina ny 30 eo ireo tena tazana matetika.
TSY MAMPIRAFY, TOKAM-PO
Miaina anatina fiarahamonina misy fitsipika izay tena maha lasa saina ny Varika. Na ny olombelona aza kay misy adala noho ireto, hoy ny vazivazy. Tsy mampirafy, tsy manambady havana ary ny tena mahagaga dia ny maheno hoe tokam-po izy ireo, izany hoe, rehefa maty ny vadiny dia tsy manambady intsony koa izy mandra-maty. Tsy maharitra mihoatra ny 18 taona ny taham-pahaveloman'ny Varika iray raha toa ka ratsy ny toeram-ponenany, izany hoe, rehefa mihidy anaty lakazy. Mahatratra hatrany amin'ny 25 taona any kosa io taham-pahavelomana io rehefa tsara izay toeram-ponenana izay, izany hoe, tsy misy fefy. Manary tena any anaty lavaka azony ilevenana ity karazan-gidro ity rehefa mahatsapa ny tenany hoe efa ho faty. Toy ny karazana tsindrin-tsakafo ihany ho azy ireo ny akondro fa ny tena foton-tsakafony kosa dia karazana ala ho an'ny bibidia na "forêt primaire" 32 karazana eo, raha ny fanazavana hatrany. Talohan'ny taona 2013 dia ireo siantifika manao fikarohana ihany no navela niditra tanatin'ity valan-javaboahary ity fa nanomboka tamin'io taona io kosa izany vao navela ho tsidihin'ny rehetra.
Nangonin'i J. Mirija