airtel

Actualités

05-mai-2026

Alaotra Mangoro

Misokatra ny taom-piotazana,

Sample post image

tsy misy famerana ny vidim-bary

05-mai-2026

Nanomboka omaly ny taom-piotazana sy fanangonam-bokatra vary any Alaotra Mangoro. Lanona teny an-tsaha no nanehoana fa efa ao anatin'ny fiakaran'ny vokatra tanteraka ny any Alaotra Mangoro amin'izao fotoana izao. Nitarika izany ny lehiben'ny Faritra Alaotra Mangoro Rabemananjara Élire Joseph. Efa vonona ihany koa ireo mpanangom-bokatra no nanamarihana ny fanokafana tamin'ity taona ity. "Sarotra ny hamerana ny vidim-bary" hoy ny lehiben'ny Faritra satria "raha atao ambany maty antoka ireo tantsaha manana masonkarena ambony, raha atao ambony loatra indray sao tsy hifanaraka amin'ny vidim-bary eny an-tsena ka tsy hisy hividy toa ny tamin'ny farany teo indray ny vokatra". 30 Ar isaky ny kilao kosa ny tamberimbidy amin'ny vary akotry alain'ny Faritra raha 20 Ar ny an'ny Kaominina, 15 Ar avy kosa ny anjaran'ny Kaominina sy ny Faritra amin'ny fotsimbary sy ampombo.
Jean D.
Fisantarana ny taom-piotazana vary tany Alaotrao omaly
 

Dans la même rubrique

05-mai-2026

Niainga tao amin’ny seranam-piaramanidina

Card image cap
05-mai-2026

5000 miliara Ar no hatokan’ny UE

Card image cap
04-mai-2026

Mitondra ny anjara birikiny ny asa fanaovan-gazety

Card image cap
04-mai-2026

Voasambotra ny alin’ny sabotsy

Card image cap
04-mai-2026

Mampahatsiahy ny lalàna sy miantso ny vahoaka hitandrina ny polisim-pirenena

Card image cap