airtel

Actualités

01-juil-2025

ALASORA

Afa-po tamin'ny hetsika nataon'ny Kaominina ny mponina

Sample post image

Afa-po tanteraka tamin'ireo karazana hetsika nokarakarain'ny Kaominina nentina nanamarihana ny

01-juil-2025

fetin'ny 26 Jona ny mponin'Alasora, distrikan'Avaradrano. Samy nahazo ny anjarany avokoa mantsy ny rehetra nanomboka tamin'ireo ankizy madinika natao didim-poitra sy nozaraina kilalao ka hatramin'ireo zokiolona mihoatra ny 65 taona notolorana solombody akoho. Toraka izany ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE rehetra izay notolorana sakafo mafana sy ody ambavafo. Ho an'ny datin'ny 25 Jona teo moa raha tsiahivina dia nisy ny fampisehoana niarahana tamin'ireo mpanankato malaza toa an'i Sanih sy Black Nadia izay nahavory olona marobe tokoa tao amin'ny kianja maitso. Narahina fijerena afomanga sy alim-pandihizana faobe izany ka tamin'ny 05 ora maraina vao nifarana ny lanonana. Hiragasy goavambe indray no nanohizana ny lanonana ny marainan'ny 26 Jona izay nofaranana tamin'ny fampisehoana niarahana tamin'ny Ceis, Majesty, Agrad ...ny folakandron'ny hariva tao amin'ny kianja Est Mahazoarivo. Hangatahin'ny mponina amin'ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy araka izany ny hitohizan'ny hetsika tahaka izao isaky ny fetin'ny 26 Jona.
Pati
Légende : Niara-nifaly tamin'ny vahoaka tahaka izao ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy !
 

Dans la même rubrique

07-mai-2026

Manohitra, manome 48 ora hanesorana an’i Be-Rija ny mpiasa

Card image cap
07-mai-2026

hampiditra miliara dolara amin'i Madagasikara"

Card image cap
07-mai-2026

Araka ny lalàna tamin’ny 23 Desambra 1901

Card image cap
07-mai-2026

Miantso ny hanomezana alalana feno ny PETROMAD ny FCRTM

Card image cap
07-mai-2026

Matin'ny fitsaram-bahoaka ilay olona iray

Card image cap
07-mai-2026

Tratra nandritra ny hetsika nataon’ny

Card image cap