Miato ihany koa ny fandraisana fangatahana sy famoahana fahazoan-dalana mifandraika amin’izany mandritra io fotoana io. Noho ny fisian’ireo afomanga hapoaka eny amin’iny faritra iny isan-kerinandro no voalaza fa anton’izany. Teo ihany koa ny fifangaroan’ny feon’ilay afomanga sy ny feom-basy nandritra ny fanafihana niseho tany an-toerana sy teny Ambohimanambola ka tsy fantatra intsony izay marina. Voarara ary tsy azo hatao koa ny mikarakara na manao lanonana aorian’ny amin’ny 07 ora hariva ka hatramin’ny 07 ora maraina. Mikatona manomboka amin’ny 09 ora alina ihany koa ny bara sy ny toerana fanaovana karaoke rehetra ao anatin’ny kaominina. Izany no natao dia ho enti- miady amin’ny tsy fandriampahalemana ao anatin’ity kaominina ity. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia somary nahazo vahana izany tao Alasora tato ho ato. Tsy fantatra intsony ireo tena ati-doha mikotrika izany na vono olona na vaky trano fa miitatra hatrany amin’ny By pass izany ka tsy misy izay tsy mitaraina. Anjaran’ny Fokontany, ny mpiasan’ny kaominina, ny mpitandro ny filaminana ary ireo tompon’andraikitra eny ifotony toy ny kartie mobila no manara-maso io didim-pitondrana navoakan’ny kaominina omaly io.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora efa niezaka nanentana ny mponina hatrany ny amin’ny tokony hisian’ny fandriampahalemana !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny