airtel

Actualités

05-sept-2022

Actualités

Albinos Madagascar “Arovy izahay mba tsy hiahiahy ny Fanjakana…”

Sample post image

“Efa an-tenda ny rano, tsy tandindonin-doza intsony, fa efa anaty loza. Resaka halatra zaza varira no niaingan’ny olana tany Ikongo. Miantso ny Filoham-pirenena amin’ny maha Raiamandreny azy,

05-sept-2022

handray andraikitra manoloana ny zavatra mahazo anay varira”, hoy izy ireo tamin’ny alalan’ny mpitarika ny fikambanany tarihin’Atoa Soja Ramiandrisoa Fulgence Filoha Nasionalin’ny Albinos Madagascar ny sabotsy. Azo lazaina fa vitsy aza, kanefa manana ny zo tokony hositrahanay, ary miantso azy mba hijery, tena hijery, asa na “action” no tadiavina fa tsy resaka intsony satria ilay fotoana mandeha, hoy hatrany antso avo. Notsipihin’izy ireo fa mbola tsy mipetraka ilay tena vahaolana hoentina hiarovana ny varira, ary vao nisy fikasana haka an-keriny indray. Miantso izahay, mba raiso ny andraikitra fa ho ripaka eto izahay, mitaintaina andro aman’alina hoe ahoana ihany satria lasa misy sakana amin’ny fivoarana amin’ny maha olona na “développement personnel” amin’ilay zaza satria raha tokony handeha ho any an-tsekoly izy dia tsy afaka ny handeha any satria mitaintaina ny Raiamandreny hoe: ho very ka aleony tazonina ao an-trano. Ny efa zokiny, mitaintaina lava kanefa miasa. Fanavakavakavahana amin’ny resaka asa, fa mbola mafy noho izany ny halatra taova. Mbola tsisy fanamarinana ara-tsiantifika hoe: inona no tena ilàna ny vatanay, fa lasa resaka kihonohono nefa dia misy ny mampiasa vola be amin’izany. Miantso ny hisian’ny fanadihadiana lalina, ary miantso ny mpiaro ny zon’olombelona, indrindra ny eo anivon’ny Firenena Mikambana mba hijery akaiky. Tsy fantatra intsony hoe: iza no ao ambadika. Mba hahatonga anay tsy hanana ahiahy hoe tsy manana tombotsoa amin’izany ny mpitondra dia mba jereo akaiky, hoy ireo Fikambanan’ny varira. Tsy mazava intsony hoe: izahay ve hanaovana sorona? Misy resaka sy ahiahy mandeha hoe: resaka sorona mba hitazonana fahefana, hoy ireo varira. Mangataka hisian’ny tolo-dalàna amin’ny fiiarovana ny zonay, fa eo ihany koa ny hisian’ny sazy mafy, hoy hatrany Atoa Soja Ramiandrisoa Fulgence.*
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap