distrikan'Atsimondrano ny herinandro teo. Nosantarina tamin'ny fakan-kevitra eny ifotony tamin'ny alalan'ny SLC izany raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana Razanamahefa Njatonirina. Ankoatra ny resaka fampianarana sy fanabeazana dia tafiditra ao anatin'izany ny ady hatao amin'ny tsy fandriampahalemana sy ny resaka fahasalamam-bahoaka izay tsy voatery ho fananganana foto-drafitrasa hoy ny Ben'ny tanana. Fantatra ihany koa fa hanao ezaka goavana hanatsarana ny vola miditra ao aminy ny kaominina Ambalavao manomboka izao. Betsaka mantsy ireo filana tsy maintsy hamoaham-bola hoy hatrany ny Ben'ny tanana. Amin'ity herinandro vaovao ity moa no hatolotra ireo mpanolon-tsaina kaominaly ao Ambalavao ny asa hatao ao anatin'io teti-bola taona 2026 io hahafahan'izy ireo manapaka izay tokony hotanterahina entina hanasoavana ny vahoaka. Mikasika ny tsy fandriampahalemana manokana moa dia ny hala-botry sy ny halatr'omby no tena mampitaraina ny mponina any an-toerana.
Pati
Légende : Izy no Razanamahefa Njatonirina, Ben'ny tananan'ny Kaominina Ambalavao Atsimondrano !
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»