airtel

Actualités

24-mai-2023

Actualités

Ambana mitatao amin’ny solika Miezaka mandamin-tsaina ny Fanjakana

Sample post image

Nikorapaka ny Fanjakana manoloana ny ahiahy amin’ny mety tsy ho fahampian’ny solika, hany ka nisy ny fanambarana nataon’ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo (OMH)

24-mai-2023

ny alin’ny alatsinainy teo efa tamin’ny 10 ora alina mahery. Nilaza fa ampy sy azo iatrehana tsara ny fandaniana an-davanandro eto Madagasikara ny tahirin-tsolika amin'izao. Nambara fa mahatratra 25 875 tapitrisa litatra ny gazoala eto ampovoan-tany, tahiry ampy mandritry ny 21 andro io. Tahaka izay koa ny lasantsy na “supercarburant, izay nambara fa mahatratra 5 003 tapitrisa litatra izany, izay fandaniana mandritry ny 16 Andro. Ho an'Antananarivo manokana, 16 037 tapitrisa litatra ny tahiry izay mahampy 29 andro. Ampy ihany koa ny tahiry ho an'ny faritra hafa. Manana tahiry ho an'ny 35 andro i Antsirabe raha gazoaly no resahana ary 26 andro raha "supercarburant". Manana gazoaly 2.559 tapitrisa i Fianarantsoa izay ampy mandritry ny 30 andro. Amin'ny volana Jona dia efa ho avy indray ny sambo hitondra solika ho an'i Madagasikara, hoy ny OMH. Voalaza etsy andaniny, fa niato nanomboka ny sabotsy teo ny fitaterana solika avy any Toamasina. Kamio miisa 10 no mihitsoka ao Alarobia noho ny filazana fa nitondra solika tsy manara-penitra ka hangatahan'ireo mpitatitra ny fanazavana avy amin'ny Logistique Pétrolière SA ny porofo fa tena avy amin'ny mpitatitra ny fiovan'ny kalitaon'ny solika. Araka ny notaterin’ny fampahalalam-baovao iray, tsy mbola nahazo valiny anefa izy ireo ary nilaza fa vonona hitatitra saingy mila mazava ny fitsipin-dalao. Toa tany am-piandohana no efa diso paikady ny Fanjakana Rajoelina mikasika ny resa-tsolika. Vao niainga dia efa nilaza fa vonona hifampitandroka amin’ireo orinasan-tsolika ingahy Filoha ary niteny tamin’ny vahoaka hoe: ampio, nampanantena zavatra be, saingy ny volana jona 2019 dia 100Ar monja ny fidinan’ny vidin-tsolika, ary ny jolay 2022 dia sambany teo amin’ny tantara no niakatra 1800Ar isiky ny litatra indray nipoaka izany. Matetika no nisy fifanolanana teo amin’ny Fanjakana sy ny Kaompanian-tsolika, betsaka ny trosa nifampiditra, fa ny tena tsy nahakofona ny Fitondrana Rajoelina dia ny tsy fahafahana nanao “requisition” intsony kanefa ny vola eo am-pelantanana manify, ka nahatonga ireny olana goavana tamin’ny famatsiana soliky ny Jirama ireny. Ankehitriny, na lazaina amin’ny serasera aza fa milamina ny resaka solika izay stratejika be ho an’ny firenena, dia toa misy loza toa manambana sy mandindona izany foana… Asa izay hiseho amin’ny fiandohan’ny taona 2024 satria anisan’ny takian’ny Tahirimbola iraisam-pirenena amin’ny fisitrahana ny FEC fahaefatra 32 tapitrisa dolara ny fametrahana ny fanitsiana ny rafitry ny vidin-tsolika ialana amin’ny « subvention » sy hametrahana ny vidiny tena izy na « verité de prix »?
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Simba ny fitaovana, mihena ny angovo, ela vao feno ny vatoaratra, potika ny fihariana.

Card image cap
02-oct-2023

Zava-doza tsy roa aman-tany no nataon’ny lehilahy iray tany Toamasina izay nahasahy nandatsaka

Card image cap
02-oct-2023

Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.

Card image cap
28-sept-2023

Teo am-pamaranana ny boky soratako mikasika ny tsiahin'ny taona fitopolo sy ny manodidina azy ary koa ny

Card image cap