Tanjonay hatrany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Rakotonandrasana Sylvain Norbert na Nono, ny hampandroso ity firenentsika ity ary vonona hanome tanana amin’izany foana izahay. Ny lesoka tamin’ny fitantanana an’Antananarivo farany teo, hoy izy, dia tsy resaka tekinika intsony fa resaka politika. Nanana finiavana tokoa ny ben’ny tanàna teo aloha, Naina Andriantsitohaina, hampandroso an’Antananarivo saingy na nisy aza izay finiavana izay dia nisy koa ny atao hoe sakana na volo manoa randrana. Nezahin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, kosa mba tsy hahitàna an’izay intsony ny kandidà Harilala Ramanantsoa, izay tohanan’ny fitondràna amin’ity. Ny fandrosoan’ny tanànan’Antananarivo no tanjona. Ambetin-tenin’io kandidà io ny hoe mandray ny fiaraha-miasa avy amin’ny firehana rehetra te hampandroso an’Antananarivo, izany hoe, tsy manavaka. Izy izany no hitan’ny ATM ho kandida misokatra indrindra amin’ireo miisa 7 ireo, hoy hatrany ny ATM, ka isan’ny hanohananay azy izany.
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny