airtel

Actualités

16-mars-2021

Actualités

Ambatofahavalo Tsy eken’ny mponina ny fitrandrahana fasika ataon’ny Sinoa

Sample post image

Olona 24 omaly no nantsoina nanaovana fanadihadiana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena Andoharanofotsy

16-mars-2021

 

taorian’ilay fitakiana nataon’ny mponina tany an-toerana ny sabotsy teo ka nahavakisan’ny fitaratr’ilay fiaran’ireo tera-tany Sinoa mitrandraka izany any an-toerana. Tonga teny Andoharanofotsy avokoa ireo mponina ireo omaly nilanja sora-baventy ka anisan’ny nitarainany mafy tamin’ny mpanao gazety ny fihetsika nataon’ireo mpitandro ny filaminana tonga tao Ankadivoribe Faravohitra Ambatofahavalo. Novahan’ireto farany raha araka ny fanazavana azo ny ombin’izy ireo sasany ka lasa namotika ny volin’olona nandritra ny fisamborany ireo olona ahiahiana. Nisy ihany koa ireo bisikiletan’ny mponina izay novakiany ny kodiarany ankoatra ireo vehivavy izay tratrany ka novonoiny ary naratra. Nisy mihitsy ny afa-jaza hoy hatrany ireo mponina omaly. Anisan’ny antony tsy haneken’ny mponina ity fitrandrahana fasika ao Ambatofahavalo ity moa ny fidinan’ny rano ka hamotika ny fambolena 180 ha izay miantoka ny voly vary sy frezy foto-piveloman’izy ireo. Toraka izany koa ny fiarovana ny ain’ireo ankizy madinika miampita rano mandeha mianatra isan’andro nefa tsy maintsy mihalalina ny rano rehefa alaina foana ny fasika. Kaominina roa moa no lasibatr’ity fitrandrahana fasika ao Ambatofahavalo ity, fitrandrahana hataon’ny Sinoa izay haharitra aman-taonany.

Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap