airtel

Actualités

13-juil-2026

Ambatofinandrahana

Havadika Oniversite ilay

Sample post image

tsena manarapenitra

13-juil-2026

Hatao oniversite ny tsena manarapenitra namboarina ao Ambatofinandrahana. Efa herintaona teo izay no nahavitan'ity foto-drafitrasa ity saingy tsy nampiasaina akory ka misy ny fiheverana ny hamadika azy io ho oniversite. "Andriamatoa Ben'ny tanàna no manana tetikasa amin'io satria ny Kaominina no mitantana azy io fa soso-kevitra no nomeko efa ho dimy volana izay. Izany hoe : tokony havadika ho foibe fanofanana io toerana io ka tsy haiko fa izy no nanao fanambarana fa havadika oniversite indray", hoy ny fanazavan-dRazafindrabary Richard, Solombavambahoaka voafidy tao Ambatofinandrahana, raha nanontaniana. "Mbola vinavina tetik'asa izy io, hatao sampan'ny UNIVAM (Université d'Amoron'i Mania) ao Ambositra ka ny taranja Gemmologie, Mines, Agriculture ireo no eritreretina ho atao eny", hoy kosa i Toky Benjamina, Talen'ny kabinetran'ny Lehiben'ny Faritra Amoron'i Mania. Distrika manankarena harena an-kibon'ny tany sy karazam-bato iny Ambatofinandrahana iny, mety ho izay rahateo no nihavian'ny anarany. Isany nampalaza azy vato granita sy marbra, nisian'ny orinasa MAGRAMA (Marbre et Granite de Madagascar) tany.
Jean D.
Ilay tsena manarapenitra ao kasaina havadika ho Oniversite ao Ambatofinandrahana
 

Dans la même rubrique

22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap
22-oct-2026

Nametraka fitoriana ireo mpiray fihaviana aminy

Card image cap
22-oct-2026

Mikatona 2 volana ny fanjonoana,

Card image cap
22-oct-2026

notolorana mari-boninahitra

Card image cap
21-oct-2026

Natsikafon’ny PRRM fa

Card image cap