Hatao oniversite ny tsena manarapenitra namboarina ao Ambatofinandrahana. Efa herintaona teo izay no nahavitan'ity foto-drafitrasa ity saingy tsy nampiasaina akory ka misy ny fiheverana ny hamadika azy io ho oniversite. "Andriamatoa Ben'ny tanàna no manana tetikasa amin'io satria ny Kaominina no mitantana azy io fa soso-kevitra no nomeko efa ho dimy volana izay. Izany hoe : tokony havadika ho foibe fanofanana io toerana io ka tsy haiko fa izy no nanao fanambarana fa havadika oniversite indray", hoy ny fanazavan-dRazafindrabary Richard, Solombavambahoaka voafidy tao Ambatofinandrahana, raha nanontaniana. "Mbola vinavina tetik'asa izy io, hatao sampan'ny UNIVAM (Université d'Amoron'i Mania) ao Ambositra ka ny taranja Gemmologie, Mines, Agriculture ireo no eritreretina ho atao eny", hoy kosa i Toky Benjamina, Talen'ny kabinetran'ny Lehiben'ny Faritra Amoron'i Mania. Distrika manankarena harena an-kibon'ny tany sy karazam-bato iny Ambatofinandrahana iny, mety ho izay rahateo no nihavian'ny anarany. Isany nampalaza azy vato granita sy marbra, nisian'ny orinasa MAGRAMA (Marbre et Granite de Madagascar) tany.
Jean D.
Ilay tsena manarapenitra ao kasaina havadika ho Oniversite ao Ambatofinandrahana