efa miteraka ranobe eran’ny tanana sahady dia lasibatra ihany koa ny ain’olombelona. Raim-pianakaviana iray no fantatra fa namoy ny ainy vokatr’izany tamin’ny Sabotsy alina lasa teo tao Miarintsoa, kaominina ambanivohitr’ Ambatomanga, distrikan'Arivonimamo. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tena nasiaka ny varatra tany an-toerana tamin’io andron’ny Sabotsy io. Tokantrano roa no nataony nahita faisana ka anisan’izany ny nisy ity Raim-pianakaviana iray ity. Handeha hiazo ny lakozia haka afokasoka izy no avy hatrany dia nilatsaham-baratra ka maty tsy tra-drano. Vehivavy iray ankoatra azy kosa no fantatra fa naratra mafy tao amina tokantrano iray. Marihina moa na eny an-dalana na ao an-trano rehefa hamono izay ny varatra dia tena mamono tokoa. Raha araka ny finoan’ireo olona any ambanivohitra dia zavatra hirahina mihitsy izy ireny ka misy ireo mbola sahy mampiady izany indrindra fa any amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny.
Pati
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny