airtel

Actualités

08-sept-2025

AMBATOMITSANGANA ANJOZOROBE

Tany mirefy 30 ha misy mitady hibodo

Sample post image

Mafy ny mahazo ireo fokonolona ao Ambatomitsangana,

08-sept-2025

distrikan'Anjozorobe. Tany mirefy 30 ha nohajarian'izy ireo efa ho 90 taona, nolovainy tamin'ny razambeny no misy mibodo. Misy milaza ho tompon'io tanibe io ankehitriny ary efa nitory azy ireo teo anatrehan'ny tribonaly Avaradrano ny 09 Aogositra lasa teo raha araka ny fitarainan'ireo fokonolona. Nihemotra amin'ny 09 Septambra ho avy izao indray anefa ny raharaha. Milaza ho manana taratasy ara-dalana ilay mibodo ny tany raha mba manana ihany koa ireo fokonolona. Nambaran'ireto farany moa fa na ireo menaky ny ainy aza dia tsy ho afaka handia ny varavaran-tsekoly raha sanatria ka lasan'ireo mpibodo tany ireo ny taniny. Io tany io mantsy no misy ny trano fonenan'izy ireo, hahafahany mamboly sy miompy izay tena foto-pivelomany....Miantso ireo manam-pahefana isan-tsokajiny araka izany ireto fokonolona ao Ambatomitsangana Anjozorobe mba hijery akaiky ny raharaha. Taorian'ny asan-dahalo vokatry ny tsy fandriampahalemana dia nanao ny nataony ny fakana olona an-keriny tao Anjozorobe izay mitohy amin'ny halatra tany indray ankehitriny.
Pati
Légende : Tsy mety milamina mihitsy ny tananan'Anjozorobe !


 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap