eo ho eo no hita tao ambany lalan-drano teo amin'ny TRIE A renivohitry ny distrikan'Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro omaly Alarobia 11 Febroary maraina. Vokatry ny ranobe nateraky ny fandalovan'ilay rivo-doza Gezani no nahatonga izany. Tombanana ho nilalao na nandehandeha teny an-tokontany ity zaza ity no lasan'ny rano tampoka. Hatramin'ny omaly fotoana nanoratanay dia mbola tsy fantatra mazava izay tena Ray aman-dReniny. Efa nisy mahafatra-po nitondra azy tany amin'ny tobi-pahasalamana hoy ny vaovao saingy tsy mbola fantatra izay mety ho tohiny.Tena voa mafy tokoa mantsy ilay zaza ary efa tsy nahatsiaro no nobatain'ny fokonolona.
Nangonin'i Pati
Légende : Ilay zazavavy kely nalaina tao ambany trottoir !
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»