airtel

Actualités

29-avril-2022

Actualités

Ambatondrazaka Maty notsatohan’ny vadiny antsy ilay vehivavy

Sample post image

Renim-pianakaviana 35 taona no maty tsy tra-drano notsatohan'ny vadiny tamin’ny antsy tany Ambatondrazaka.

29-avril-2022

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia teo amin'ny foto-tsofiny ankavia no notsatohany antsy afak’omaly alarobia 27 aprily alina, tranga niseho tao Manakambola. Nandriaka ny ra tao an-trano vokatr’izany raha natahotra ilay Rangahy ka lasa nandositra nitsoaka. Mbola tsy hita moa ity farany hatramin’ny fotoana nanoratanay. Mbola tsy fantatra mazava ihany koa izay antony namonoany ity vady andefimandriny ity. Ny hany azo antoka dia mety nandray zava-mahadomelina mahery vaika ilay Rangahy na koa tezitra mafy nentin’ny fony noho ny fifamaliana raha nisy izany ka nihafara tamin’izao famoizana ain’olona izao. Efa eo am-pikarohana ilay nahavanon-doza moa ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.
Nangonin’i Pati
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap