airtel

Actualités

12-avril-2023

Actualités

Ambodihady Ambohimanarina Niteraka savorovoro ny fizarana Tosika Fameno

Sample post image

Niteraka savorovoro ho an’ireo mponina teny amin’ny fokontany Ambodihady Ambohimarina ny fomba fizarana ny tosika fameno sy ny vatsy tsinjo omaly

12-avril-2023

izay raha tsiahivina dia fanampiana avy amin’ny fanjakana natao ho an’ireo tokantrano marefo ara-pivelomana. Misy hatrany mantsy ny kiantrano an-trano hataon’ny Fokontany ka izay olona fantampantatrry ny ao amin’ny fokontany ihany no misitraka ilay fanampiana. Vola mitentina 6 alina ariary ka hatramin’ny 1 hetsy ariary no sitrahana ao anatin’ilay tosika fameno. Isam-bolana izany ho an’ireo tokantrano marefo ara-pivelomana. Raha ny fanazavan’ireo mponina hatrany dia efa nanomboka tamin’ny volana febroary teo no nisy olana ny fizarana izany ka maro ireo tsy nahazo intsony. Tsy matoky ny solontenam-panjakana eny ifotony ny mponina koa miantso ny filoham-pirenena mihitsy mba hidina isan-tokantrano hizara ity tosika fameno sy ny vatsy tsinjo ity. Nilaza kosa tetsy ankilan’izay ny sefo fokontany eny ambodihady ambohimaraina fa ireo izay nisoratra anarana tany am-boalohany sy ireo izay voasivana fa tena marefo ara-pivelomana ihany ka mendrika izany fanampiana izany no misitraka io fanampiana io. Ny FID izay tompon’ny tetikasa no manao ny sivana fa tsy ny fokontany hoy hatrany ny fanazavany. Ankoatra io tosika fameno omen’ny FID io anefa dia misy ihany koa ireo fikambanana samihafa mizara fanampiana izay tsy andraikitry ny fokontany ihany koa ny manao sivana ireo olona histraka fa ilay fikambana ihany raha ny fanazavan’ny sefo fokontany Ambodihady Ambohimarina Atoa Ravelonarivo harimanana no manao azy.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap