Mampiasa fikambanana ny mpaka tany ka tomponandraikitry ny fokontany teo aloha no nambaran'ny fokonolona ho mpiray tsikombakomba amin'izany. Nofitahina ny olona sasany tety aminay noho ny tsy fahaizana ka nasaina nitondra karapanondro ho soratana anarana dia nomena 1 tapitrisa Ariary kinanjo fitaka ahazoana ny taninay, hoy ny solontenan'ny mponina teny an-toerana omaly antoandro. Voalaza fa olona manodidina ny 68 isa no efa naharay io vola io. Fototry ny fiainan'ny mponina eny ny fambolena sy fiompiana. Tsy manana diplaoma izahay ka raha voaroaka eto dia mba ho aiza izahay marobe an’arivony ireo, raha ny fanazavan'ny tanora iray. Nangataka ny ahazoana karatany moa izy ireo mba ahafahany mipetraka sy miasa am-pilaminana. Tsy nandalo tao amin'ny filankevitra kaominaly mihitsy ity raharaha ity ka tsy azonay ekena, hoy ny fanazavana nentin'ny mpampakateny ao amin'ny kaominina Ambohimanga Rova nanatrika ny hetsika fanoherana nataon'ny mponina. Miaradia manohitra ny fanesorana ny vahoakan'Ambodisiarivo amin'ny tany ihany koa ny ben'ny tanàna. Masiaka ireo vahoaka naneho ny hatezerany . Na hisy rà latsaka aza eto. Tsy hiala izahay. Tsy omenay ny taninay, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny