airtel

Actualités

14-juil-2022

Actualités

AMBOHIBAO ANTEHIROKA Nahazo jiro manazava ny tanana

Sample post image

Sady haingon’ny tanana no hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana ny jiro enti-manazava ny tanana, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina mahamora maizina ny andro izao.

14-juil-2022

Nanao ezaka manokana mifandraika amin’izany ny kaominina Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo tarihin’ny Ben’ny tanana Atoa Lalaina Vatosoa. Nosinganiny tamin’izany ny Fokontany Ambohibao izay nahazo jiro COBRA, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo ary ny orinasa JIRAMA. Nisy ny fidinana ifotony tamin’ireo toerana maizina sy mampitaraina ny mponina ahitana trangana tsy fandriampahalemana talohan’izany ka ireny no natao laharam-pahamehana ho an’ity Fokontany iray ity. Mbola hitohy any amin’ireo Fokontany hafa ambiny ny ezaka, hoy ny fanazavan’ny Ben’ny tanana. Marihina moa fa vokatry ny tsy fisian’ny jiro manazava ny tanana dia marobe ireo olona tratry ny sinto-mahery sy ny asa fanendahana amin’izao, raha misy ihany koa ireo voaolana.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fametahana ny jiro tao amin’ny Fokontany Ambohibao omaly !
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap