airtel

Actualités

19-janv-2023

Actualités

Ambohidrapeto Avotry ny polisy ilay zaza nariana teny amoron-dalana

Sample post image

Zaza menavava iray no hitan'ny Polisy tao anaty harona napetrak’ireo tsy mataho-tody teny amoron-dalana teny Ambohidrapeto Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano omaly hariva.

19-janv-2023

Raha araka ny fantatra dia vao teraka ity zaza ity. Mbola niaraka tamin’ireny lambafotsy kely voloina namonosana azy ireny mantsy ilay tsy manan-tsiny. Soa ihany anefa fa hitan’ny polisy izy io ka avy hatrany dia nentiny haingana teny amin'ny toeram-pitsaboana akaiky indrindra. Tsy misy ahiana moa ny ainy raha mbola eo am-pelatanan'ny mpitsabo ilay zaza menavava. Misokatra kosa ny fanadihadiana mikasika izay mety ho Renin’ity zaza ity. Tsiahivina moa fa saika vokatry ny hasarotan’ny fiainana sy ny fahantrana no manosika ireo Renim-pianakaviana hanao fihetsika tahaka izao amin’ny ankapobeny. Misy koa ireo nilaozan’ny Rain-janany ka tsy manana fahafahana ny hamelona ilay tsy manan-tsiny irery.
Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap