airtel

Actualités

31-janv-2024

AMBOHIDRENY MAHAZOARIVO

Vehivavy nisolifatra teo am-pakana rano, natelin’Ikopa

Sample post image

Naka olona indray ny ranon’Ikopa omaly Talata 30 Janoary tokony

31-janv-2024

ho tamin’ny 01 ora folakandro. Ilay mamakivaky ny tananan’Ambohidreny Mahazoarivo misaraka avy amin’ny ranon’i Tanjombato iny no namoa-doza ka Renim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona no lasibatra. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mpiara-monina aminy omaly hariva dia nandeha nivoaka natsaka rano no nialan’ity Renim-pianakaviana ity tao an-tokantranony. Nandrasana anefa tsy niverina izy efa ho ora 2 mahery ka lasa nitotototo nijery azy ireo fianakaviany. Vokany, sarina dian-tongotra nisolifatra tao anaty rano sy sceau sisa no hitan’izy ireo teo amoron-drano ka niantso ny sampana mpamonjy voina avy hatrany izy ireo. Efa vatana mangatsiaka tsy nisy fofon’aina intsony anefa no niakatra avy ao anaty rano ka tsy nisy azo natao intsony. Raha araka ny fantatra anefa dia vao 12 volana monja no zakan’ity Renim-pianakaviana farany raha 6 taona no zokiny.
Pati
Legende : Sady mamelona no mamono ny rano ka ilana fitandremana hatrany !
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap