filalaovam-baolina amin’ny lalana Villa Saphir omaly Alakamisy 09 Janoary hariva. Antony nahitan’ny olona ity fatin-jazakely ity raha ny loharanom-baovao azo ny fisavoritahan’ny alika taminy sy ny manodidina azy . Lahikely io zaza tsy manantsiny io. Tombanana ho vao teraka mihitsy ary notapahina manta ny tadim-poitrany hoy hatrany ny vaovao. Efa vonona ny handray ny andraikiny handevina ilay zaza tsy manan-tsiny moa ireo mpiara-monina teny an-toerana saingy mbola nandrasana kosa ny tompon’andraikitry ny Fokontany hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. Efa miditra an-tsehatra ihany koa ny mpitandro ny filaminana amin’ny fikarohana ny Reniny.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay gony nisy ilay razanakely !