airtel

Actualités

15-juin-2023

Actualités

Ambohimalaza Mpiambina tanàna iray no mpanaparitaka rongony

Sample post image

Tratra ny atidoha mpanaparitaka rongony ao amin’ny tanànan’Ambohimalaza. Mpiambina tanàna iray eny an-toerana ihany izy io, eo akaikin'ny Karting.

15-juin-2023

Loharanom-baovao avy amin’ireo olona tsara sitrapo no nahafantarana fa mivarotra rongony eny amin’ny manodidina izy io. Rehefa natao ny angom-baovao ka nidinan’ny mpitandro ny filaminana ifotony dia nosavaina tao an-tanony ka nahitàna fonosan-drongony miisa 21, antony tena nisamborana azy. Tamin'ny fanadihadiana natao azy no nahafantarana fa 43 taona ny lehilahy. Mpiambina tanàna amin'ny toerana misy bar, izay misy ny mpampiasa azy no asany. Ahiana ho mamatsy rongony ireo mpisotro toaka ihany koa ilay ranamana ity noho izany. Niakatra fampanoavana omaly moa ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika ny anaolahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana mpanaparitaka rongony ao Ambohilaza
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap