namoy ny ainy vokatry ny firehetan’ny trano fonenana sady fiompiana akoho fakana nofony tao Ambohimiarivo Antsirabe II afak’omaly Alatsinainy tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Raha araka ny fantatra dia afon-tsaribao teo afovoan-trano tany ambany rihina saika hanafanàna ireo biby fiompy no nirehitra nanakatra ny gorodona, tao ambony rihina. Tao ambany rihina mantsy no nompiana ireo akoho fakana nofony ireo. Nipoaka avy hatrany ilay "Batterie" fakàna angovo hanazavana ny efitrano nandritra izany ka tongan'ny afo ary nanafaingana ny fiparitahan'ny firehetana. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia nisy olona iray 20 taona niaraka tamin’io zaza 10 taona io tao amin'ilay trano. Namoy ny ainy ity farany nandritra izany raha tafavoaka kosa saingy nijaly noho ny etona manempotra azy ilay olona iray 20 taona. Fahamaizana niampy fahasemporana moa no tena nahafaty ilay zaza hoy ny vaovao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nifamonjena tahaka izao ny nanavotra ilay zaza saingy indrisy !
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,