Tsy fantatra na efa tsy salama niala tany an-tokantranony ity Renim-pianakaviana ity no na noteren’ny adin-tsaina teny an-dalana ka mety niakatra tosi-dra ohatra ary izao nihafara tamin’ny famoizany ny ain-dehibeny izao. Haingolalao Marie Miriame no anarany, manambady ary manan-janaka dimy izy ary avy any Fandriana no fiaviany. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana hatrany dia foana tsy nisy na inona na inona intsony tao anatin’ny poketra noentin’Itompokovavy. Tsy nahitana ratra kosa anefa ny vatany na kely monja aza. Vinavinain’ny olona ho mety nisy nanendaka izy araka izany saingy ny tao anaty poketrany ihany no nalainy. Nisy koa anefa ireo niteny fa mety fanina teny an-dalana izy. Voalaza ho nandeha nitsindrona tany amin’ny dokotera mantsy no nivoahany ny trano izay tsy fantatra na resaka aretina tokoa fa zavatra hafa.
Nangonin’i Pati
Legende : Teo am-pijoroana ity Renim-pianakaviana ity no nitambotsotra tampoka
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny