airtel

Actualités

25-avril-2023

Actualités

AMIDOU Feno 20 taona

Sample post image

Mankalaza ny faha-20 taona niorenany ny fikambanana AMIDOU na ny « Amicale des inspecteurs des douanes ».

25-avril-2023

Dia an-tongotra 6 km mandroso sy miverina niazo ny Rovan’Antongona no nentin’ny AMIDOU nanamarihana izany tamin’ny Sabotsy teo ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : Inspektera miray hina, manandratra avo ny fadin-tseranana. Nivoitra nandritra izany fa tamin’ny taona 2003 no niorina ny fikambanana. Maro ireo olana nosedrain’ny AMIDOU nandritra izany saingy mbola nahavita soa aman-tsara ny andraikitra nankinina taminy avokoa ny tsirairay raha araka ny fantatra izay efa mahatratra 150 isa manerana ny Nosy. Taorian’ny dia an-tongotra dia nisy ny fiaraha-misakafo notanterahin’ny mpikambana no sady nampahafantarana ny komity mpikarakara ny faha-20 taona ihany. Tonga nanotrona izany ireo solontena marobe avy any amin’ny faritra izay samy nankasitraka izao fihaonana izao. Mbola hitohy any Mahajanga, Toamasina ary Antsiranana moa ny fankalazana.
Pati
Legende : Ireo mpikambana eo anivon’ny AMIDOU nitsidika ny rovan’Antongona
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap