airtel

Actualités

18-avril-2023

Actualités

AMPAHIMANGA ARIVONIMAMO Potiky ny havandra ny 60%-n’ny fambolena

Sample post image

Nisehoana oram-baratra narahina havandra tao amin'ny Fokontany Ankamory kaominina ambanivohitra Ampahimanga ny sabotsy 15 Aprily folakandro teo.

18-avril-2023

Naharitra minitra maromaro izany ka simba avokoa ny 60%-n’ny fambolena. Ny voly vary no tena voamafy tamin’izany raha araka ny fitarainan’ireo tantsaha izay marihina fa nandanin’izy ireo fari-pananany sy ny herim-pony nandritra ny taona iray. Miantso ny fandraisana andraikitry ny Fitondram-panjakana araka izany ireo tantsaha mpamokatra any amin’iny faritra iny. Na izany aza dia tsy maintsy hiverina hiainana ao anatin’ilay fividianana vary 1.000 Ar ny iray kapoaka izy ireo raha mba efa nanantena ny ho afaka tanteraka. Hetahetan’ireo tantsaha koa araka izany ny hanomezana azy ireo masomboly hambolena mandritra ny vanim-potoana maintany hahafahana manarina ny simba. Tsiahivina moa fa tanana roa no lasibatry ny havandra nataony nahita faisana tato anatin’ny herinandro izao dia ity Fokontany Ankamory Ampahimanga ity sy ny Andriantsivalana Ambatolampy.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny firaraky ny havandra teny an-tanimbary
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap