airtel

Actualités

29-avril-2022

Actualités

Ampanefy Atsimondrano Tratra ilay rangahy nanolana sy nandratra ny mpanampiny

Sample post image

Tratra omaly alakamisy vao mangiran-dratsy tao Ampanefy Atsimondrano ny raim-pianakaviana iray nanolana mpanampy vaviny vao 12 taona monja.

29-avril-2022

Raha tsiahivina dia naharay fanairana sy antso vonjy maro ny InfoCom Seg nandritra ity herinandro ity mahakasika io tranga io ka nitatitra izany teo anivon'ny Fibaikoana ny Zandarimaria izay nanetsika haingana ny mpikaroka fandikan-dalàna ifotony. Mpanampy nalainy anatitra ny zanany mianatra ity zazavavy kely tsy manan-tsiny lasibatra ity. Heloka maro sosona araka izany no hanenjehana ilay nahavanon-doza sy izay niray nitsikombakomba taminy. Anisan’ireny ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Eo koa ny fanodikodinana zaza tsy ampy taona, ny fanolanana ara-nofo, ny herisetra ara-tsaina. Tsy latsa-danja amin’izany ny heloka bevava feno habibiana mihatra amin'ny maha-olombelona, herisetra mifantoka amin'ny mahavavy sy maha lahy (VBG), ny fanabeazana ratsy manoloana ny zanaka nateraka, tsy fanambarana fisiana heloka bevava miseho...Niaiky ny heloka vitany ilay lehilahy ary nentina nozahan'ny mpitsabo manokana ilay zazavavy izay hita fa feno ratra avokoa ny vatany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay rangahy nahavanon-doza
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap